Ankehitriny, Madagasikara dia manana faritra arovana miisa 43 izay ahitana valan-javaboary, faritra arovana ary ala voajanahary izay tantanan'ny "Madagascar National Parks" (https://www.parcs-madagascar.com/
Ireto ambany ireto ny fitanisana ireo valan-javaboaary ireo
1- Valan-javaboaary
Analamazaotra : faritra Alaotra Mangoro. Distriktan'ny Moramanga, eo anelanelan'ny Andasibe sy Ambatovola.
**Andohahela **: 40 km avaratra andrefan'ny Tolagnaro ary 30 km andrefan'ny morondranomasina oseana indiana
Andringitra : any amin'ny faritra Haute-Matsiatra
Ankarafantsika : any amin'ny faritra Boeny, distrikan'ny Marovoay sy Ambato-Boeny
Baie de Baly et Tsingy de Namoroka : any amin'ny 150km atsimo andrefan'ny tananan'ny Mahajanga
Bemaraha : any atsimon'ny faritra Melaky
Isalo : any amin'ny 269 km ny Fianarantsoa sy 80 km ny Ihosy
National Kirindy Mite : any amin'ny faritra Menabe
Mananara-Avaratra : any amin'ny distriktan'ny Mananara Avaratra, 280Km any atsimon'ny Toamasina
Mantadia : any amin'ny faritra Alaotra Mangoro
Marojejy : any amin'ny faritra Avarata atsinanana i Madagasikara
-** Marolambo** : eo anelanelan'ireto faritra ireto: Atsinanana, Vatovavy-Fitovinany, Vakinankaratra aryAmoron’i Mania
Masoala :any amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Madagasikara ary voafaritry Baie d’Antongil avy any andrefana sy ny ranomasina Oseana indiana avy any atsinanana
Midongy Befotaka : any amin'ny faritra atsimo atsinanan'ny Madagasikara any amin'ny 90 km ny Vangaindrano .
Mikea : any amin'ny faritra atsimo andrefan'ny Madagasikara eo anelanelan'ny distriktaToliara II sy Morombe
Tendrombohitra Ambre : 38 km ny Antsiranana
Marin Nosy Hara : any amin'ny faritra Diana, 12km an'Ampasindava
Marin Nosy Tanihely : 8,5 km any atsimo andrefan'ny seranan'ny Hell-Ville -Nosy be.
Nosy Ve-Androka : any amin'ny faritra atsimo andrefana, eo amin'ireto firaisana ireto : Beheloke, Itampolo sy Androka
Ranomafana : any amin'ny faritra Atsimo atsinanan'ny Madagasikara eo anelanelan'ny faritra Matsiatra ambony sy Vatovavy Fitovinany