prmLogoTorolalana
  • Fanazavana
  • Serivisy
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaHitsidika valan-javaboary

    Hitsidika valan-javaboary

    Ankehitriny, Madagasikara dia manana faritra arovana miisa 43 izay ahitana valan-javaboary, faritra arovana ary ala voajanahary izay tantanan'ny "Madagascar National Parks" (https://www.parcs-madagascar.com/ Ireto ambany ireto ny fitanisana ireo valan-javaboaary ireo

    1- Valan-javaboaary

    • Analamazaotra : faritra Alaotra Mangoro. Distriktan'ny Moramanga, eo anelanelan'ny Andasibe sy Ambatovola.
    • **Andohahela **: 40 km avaratra andrefan'ny Tolagnaro ary 30 km andrefan'ny morondranomasina oseana indiana
    • Andringitra : any amin'ny faritra Haute-Matsiatra
    • Ankarafantsika : any amin'ny faritra Boeny, distrikan'ny Marovoay sy Ambato-Boeny
    • Baie de Baly et Tsingy de Namoroka : any amin'ny 150km atsimo andrefan'ny tananan'ny Mahajanga
    • Bemaraha : any atsimon'ny faritra Melaky
    • Isalo : any amin'ny 269 km ny Fianarantsoa sy 80 km ny Ihosy
    • National Kirindy Mite : any amin'ny faritra Menabe
    • Mananara-Avaratra : any amin'ny distriktan'ny Mananara Avaratra, 280Km any atsimon'ny Toamasina
    • Mantadia : any amin'ny faritra Alaotra Mangoro
    • Marojejy : any amin'ny faritra Avarata atsinanana i Madagasikara -** Marolambo** : eo anelanelan'ireto faritra ireto: Atsinanana, Vatovavy-Fitovinany, Vakinankaratra aryAmoron’i Mania
    • Masoala :any amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Madagasikara ary voafaritry Baie d’Antongil avy any andrefana sy ny ranomasina Oseana indiana avy any atsinanana
    • Midongy Befotaka : any amin'ny faritra atsimo atsinanan'ny Madagasikara any amin'ny 90 km ny Vangaindrano .
    • Mikea : any amin'ny faritra atsimo andrefan'ny Madagasikara eo anelanelan'ny distriktaToliara II sy Morombe
    • Tendrombohitra Ambre : 38 km ny Antsiranana
    • Marin Nosy Hara : any amin'ny faritra Diana, 12km an'Ampasindava
    • Marin Nosy Tanihely : 8,5 km any atsimo andrefan'ny seranan'ny Hell-Ville -Nosy be.
    • Nosy Ve-Androka : any amin'ny faritra atsimo andrefana, eo amin'ireto firaisana ireto : Beheloke, Itampolo sy Androka
    • Ranomafana : any amin'ny faritra Atsimo atsinanan'ny Madagasikara eo anelanelan'ny faritra Matsiatra ambony sy Vatovavy Fitovinany
    • Sahamalaza : eny amin'ny moron-tsiraka avaratra andrefan'ny Madagasikara,eo anelanelan'ny distriktan'ny Ambanja sy Analalava
    • Tsimanapetsotse : any amin'ny faritra atsimo andrefan'ny Madagasikara.
    • Zahamena : 20 km miala n'ny faritra Laka Alaotra ary 50 km miala ny ranomasimbe indiana.
    • Zombitse Vohibasia : any amin'ny faritra atsimo andrefan'ny Madagasikara 135 km any atsimo atsinanan'ny Toliara

    2- Faritra arovana

    • Ambatovaky: any amin'ny morontsiraka Atsinanan'ny Madagasikara, any amin'ny Faritanin'i Toamasina
    • Ambohitantely : any amin'ny faritra Analamanga, distriktan'ny Ankazobe
    • Anjanaharibe-Atsimo: Atsimo andrefan'ny tananan'Andapa amin'ny lalan'ny Bealalana, ao amin'ny faritra Sava
    • Ankarana: ao amin'ny faritra DIANA , Distriktan'Ambilobe
    • Beza Mahafaly: ao amin'ny faritra"Atsimo-Andrefana", distriktan'ny Betioky Atsimo
    • Tendron'ny Sainte-Marie: atsimon'ny Tsihombe, Faritra Androy
    • Kalambatritra: any amin'ny Atsimo andrefan'ny Madagasikara, sisin'ny faritra Horombe sy Anosy
    • Analamerana: ao amin'ny faritraAvarata atsinana'ny Madagasikara, ao amin'ny faritra DIANA sy faritra SAVA
    • Tendron'ny Ivohibe: ao amin'ny faritra Atsimo atsinanan'i Madagasikara, faritra Matsiatra ambony
    • Mangerivola: ao amin'ny faritra Atsinanan'i Madagasikara,
    • Manombo: 26 km ny Farafangana
    • Manongarivo: ao amin'ny faritra Avarata Andrefan'i Madagasikara, faritra Diana (Ambanja)
    • Marotandrano: ao amin'ny faritra avaratra atsinanan'iMadagasikara amin'ny sisin'ny faritra Sofia sy Alaotra Mangoro"

    3- Ala voajanahary

    • Lokobe: any amin'ny faritra atsimo atsinanan'ny Nosy be
    • Betampona: any amin'ny faritra Atsinanan'iMadagasikara, Toamasina II
    • Tsaratanana: any amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara, faritra Diana

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefaso ny fangatahana
    TrustedTakelaka nohamararinin'ny sampana voakasika

    Zarao amin'ny tambazotra serasera

    1- Valan-javaboaary
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mg - v2.0.0Novokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer