Fifaninana hiditra ho zandary 
Isan-taona, ny Zandarimariam-pirenena dia mandray ny olom-pirenena nahazo diplaoma bakalorea, na mitovy aminy, hiditra ho zandary.
Hisy fampahafantarana momba an'izany havoaka amin'ny haino aman-jery sy tambajotra sosialy.
Faharetan'ny fifaninana  : 06 volana
Toerana  : Commandement de la Gendarmerie nationale Toby RATSIMANDRAVA
Raha mila fanazavana fanampiny  : +261 (0)34 14 006 29 
Sarany  :  maimaim-poana ny fiofanana
Isan'ny dingana  : 04
Dingana 1 : fametrahana ny antontan-taratasy 
Famaritana ny dingana  : Fisoratana anarana ho isan’ny mpiadina
Faharetan'ny fikarakarana  : 03 volana
Toerana  : Tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena akaiky anao
Sarany  : 35.000 ariary
Antotan-taratasy ilaina  : Jereo PJ2 
Dingana 2 : fifaninana fiodinana voalohana 
Ny fifaninana fiodinana voalohana dia fanadinana an-tsoratra izay hatao any amin’ireo ivon-toerana telo amby roapolo (23) any amin’ireo renivohitry ny faritra misy ny foiben’ny vondron’ny Zandarimariam-pirenena.
Ireto avy ny taranja hanadinana :
Malagasy (famakafakan-kevitra, fomba malagasy, fitsipi-pitenenanana) 
Kajy 
Frantsay (famakafakan-kevitra, voambolana, fitsipi-pitenenanana) 
 
Faharetan'ny fifaninanana  : 02 andro
Toerana  : 23 vondron-tobim-pileovanan' ny Zandarimariam-pirenena
Raha mahita tsy fahatomombanana  : +261 (0)34 14 006 29 
Sarany  : tsy misy
Antotan-taratasy ilaina  : taratasy fiantsoana (jereo PJ3 )
Dingana 3 : fifaninana fiodinana faharoa 
Ny fiodinana faharoa dia atao eto amin’ ny sekolin’ny Zandarimariam-pirenena Ambositra. Ireto avy ny zavatra atao :
Fizaham-pahasalamana 
Adina hakingan-tsaina (lanjan'isa 01) 
Adina am-bava (lanjan'isa 02) 
Adina aram-panatanjahan-tena (lanjan'isa 02) izay mitsinjara ho toy izao : 
 
100 metatra ho an’ny rehetra. 
1000 metatra ho an’ny lehilahy. 
800 metatra ho an’ny vehivavy. 
 
Faharetan'ny fanadinana  : 15 andro
Toerana  : Sekolin’ny Zandarimaria Ambositra
Raha mahita endrika kolikoly  : +261 (0)34 14 013 88  - +261 (0)34 14 006 85  - +261 (0)34 14 014 87 
Sarany  : mandoa vidin-tsakafo mandritry ny fifaninana
taratasy hilaina  : taratasy fiantsoana PJ4 
Dingana 4 : fiofanana 
Ireto avy ny zavatra atao amin'ity dingana :
Fiofanana ara-miaramila 
Fiofanana arak’asa 
"Aguerrissement" 
Fampiharana arak’asa 
 
Faharetan'ny fiofanana  : 03 taona
Toerana  :
Sekolin’ny Zandarimaria Ambositra 
Ivotoerana manokana manamafisam-piofanana 
Tobim-paritra misahana ny fifamoivoizana manokana 
Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena 
 
Sarany  : tsy misy
Nahaliana anao ve ny torohevitra  hitanao tato amin'ny pejy ? Naoty Ampio izahay hanatsara ny tranonkala