prmLogoTorolalana
  • Fanazavana
  • Serivisy
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaFifaninana hiditra ho zandary

    Fifaninana hiditra ho zandary

    Isan-taona, ny Zandarimariam-pirenena dia mandray ny olom-pirenena nahazo diplaoma bakalorea, na mitovy aminy, hiditra ho zandary. Hisy fampahafantarana momba an'izany havoaka amin'ny haino aman-jery sy tambajotra sosialy.

    Faharetan'ny fifaninana : 06 volana

    Toerana : Commandement de la Gendarmerie nationale Toby RATSIMANDRAVA

    Raha mila fanazavana fanampiny : +261 (0)34 14 006 29

    Sarany : maimaim-poana ny fiofanana

    Isan'ny dingana : 04

    Dingana 1 : fametrahana ny antontan-taratasy

    Famaritana ny dingana : Fisoratana anarana ho isan’ny mpiadina

    Faharetan'ny fikarakarana : 03 volana

    Toerana : Tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena akaiky anao

    Sarany : 35.000 ariary

    Antotan-taratasy ilaina : Jereo PJ2

    Dingana 2 : fifaninana fiodinana voalohana

    Ny fifaninana fiodinana voalohana dia fanadinana an-tsoratra izay hatao any amin’ireo ivon-toerana telo amby roapolo (23) any amin’ireo renivohitry ny faritra misy ny foiben’ny vondron’ny Zandarimariam-pirenena.

    Ireto avy ny taranja hanadinana :

    • Malagasy (famakafakan-kevitra, fomba malagasy, fitsipi-pitenenanana)
    • Kajy
    • Frantsay (famakafakan-kevitra, voambolana, fitsipi-pitenenanana)

    Faharetan'ny fifaninanana : 02 andro

    Toerana : 23 vondron-tobim-pileovanan' ny Zandarimariam-pirenena

    Raha mahita tsy fahatomombanana : +261 (0)34 14 006 29

    Sarany : tsy misy

    Antotan-taratasy ilaina : taratasy fiantsoana (jereo PJ3)

    Dingana 3 : fifaninana fiodinana faharoa

    Ny fiodinana faharoa dia atao eto amin’ ny sekolin’ny Zandarimariam-pirenena Ambositra. Ireto avy ny zavatra atao :

    1. Fizaham-pahasalamana
    2. Adina hakingan-tsaina (lanjan'isa 01)
    3. Adina am-bava (lanjan'isa 02)
    4. Adina aram-panatanjahan-tena (lanjan'isa 02) izay mitsinjara ho toy izao :
    • 100 metatra ho an’ny rehetra.
    • 1000 metatra ho an’ny lehilahy.
    • 800 metatra ho an’ny vehivavy.

    Faharetan'ny fanadinana : 15 andro

    Toerana : Sekolin’ny Zandarimaria Ambositra

    Raha mahita endrika kolikoly : +261 (0)34 14 013 88 - +261 (0)34 14 006 85 - +261 (0)34 14 014 87

    Sarany : mandoa vidin-tsakafo mandritry ny fifaninana

    taratasy hilaina : taratasy fiantsoana PJ4

    Dingana 4 : fiofanana

    Ireto avy ny zavatra atao amin'ity dingana :

    • Fiofanana ara-miaramila
    • Fiofanana arak’asa
    • "Aguerrissement"
    • Fampiharana arak’asa

    Faharetan'ny fiofanana : 03 taona

    Toerana :

    • Sekolin’ny Zandarimaria Ambositra
    • Ivotoerana manokana manamafisam-piofanana
    • Tobim-paritra misahana ny fifamoivoizana manokana
    • Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena

    Sarany : tsy misy

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefaso ny fangatahana
    TrustedTakelaka nohamararinin'ny sampana voakasika

    Zarao amin'ny tambazotra serasera

    Dingana 1 : fametrahana ny antontan-taratasy
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mg - v2.0.0Novokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer