Fangalana taratasy fahazoan-dalana hamily
Ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiarakodia dia zo aram-panjakana manome alalana hitondra karazana fiara misy motera toy ny fiarakodia, ny kodiaran-droa, kodiaran-telo, ny kamiao ary ny fiara fitanteram-bahoaka. Taloha dia ny sekoly fianarana mitondra fiara no mikaraka sy manome ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara ho an'izay mangataka izany, fa tsy toy izany intsony izao. Ankehitriny, ny te hangataka taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara dia tsy maintsy manantona ny foibe Immatriculateur eo Ambohidahy. Fanampiny izay, mba hialana amin'ny filaharana lavareny; ny fangatahana sy ny fangalana ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara dia misy fizarana fotoana. Ireto manaraka ireto ny tsara ho fantatra momba izany rehetra izany
Dingana 1 : Mianatra mamily fiara eny anivon'ny toerana fianarana mamily
Mianatra mamily fiara no dingana voalohany amin'ny fangatahana taratasy fahazon-dalana mitondra fiarakodia. Mizara roa ny fandaharam-pianarana. Misy ny fampianarana an-tsoratra ianarana lalànan'ny fifamoivoizana ary misy ihany koa ny fampianarana mitondra fiara arahana mpanara-maso.
Dingana 2 : Manala fanadinana
Rehefa nahavita ny fianarana mamily fiara dia manala fanadinana momban'ny lalanan'ny fifamoivoizana sy familiana fiara eny anivon'ny Agence des Transports Terrestres Tsimbazaza. Mikasika ny saram-panadinana dia andraikitry ny sekoly fampianarana mitondra fiara ny mandoa izany amin’ny anaran’ny kandidà eny amin'ny ATT. Izany saram-panadinana izany dia mitentina :
10 000 Ar ho an'ny sokajy A, A' sy B
15 000 Ar ho an'ny sokajy C, D ary E
Dingana 3 : Manao fotoana eny anivon'ny CIM
Rehefa afaka fanadinana dia manome taratasy ho an'ny mpangataka ny sekoly fampianarana mitondra fiara. Ity antontan-taratasy ity dia ahafahan'ny olona mangataka fahazoan-dàlana mamily fiara eny anivon'ny CIM.
Dingana 4 : Fametrahana atontan-taratasy
Amin’ny andro hametrahana ny antontan-taratasy dia tsy maintsy mitondra "chemise cartonée" maitso ny mpangataka ary mandoa ny saram-pandraharahana mitentina 38.000 Ar.
Amin’io andro io ihany no hakana sary, anomezana ny taratasy fanamarinana vonjimaika ary hampahafantarina azy ny daty angalany ny taratasy fahazoana mamily fiara any.
Ity ambany ity ny lisitry ny antontan-taratasy mila hoentina :
Sokajy A sy A'
Kara-tsekoly
Kopia nahaterahana
Taratasy fanamarinam-ponenana
Sary famantarana 5
Sokajy B
Dika mitovy ny kara-panondrom-pirenena
Kopia nahaterahana A
Fanamarinam-ponenana
Sary famantarana 5
Fanitarana ho amin'ny sokajy C, D ary E
Dika mitovy ny kara-panondrom-pirenena
Kopia nahaterahana
Fanamarinam-ponenana
Sary famantarana 5
Fanamarinana ara-pahasalamana navoakan'ny Birao monisipaly ny hadiovana (BMH)
Kopia voamarina an'ny fahazoan-dàlana mitondra fiara sokajy B
Dingana 5 : Fangalana ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiarakodia
Mankeny anivon'ny CIM ny tompon'ny taratasy amin'ny andro voalaza ahafahany maka izany miaraka amin'ilay taratasy fanamarinana vonjimaika ary ny kara-panondrom-pirenena.
Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ? Naoty Ampio izahay hanatsara ny tranonkala