prmLogoTorolalana
  • Fanazavana
  • Serivisy
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaFangalana taratasy fahazoan-dalana hamily

    Fangalana taratasy fahazoan-dalana hamily

    Ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiarakodia dia zo aram-panjakana manome alalana hitondra karazana fiara misy motera toy ny fiarakodia, ny kodiaran-droa, kodiaran-telo, ny kamiao ary ny fiara fitanteram-bahoaka. Taloha dia ny sekoly fianarana mitondra fiara no mikaraka sy manome ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara ho an'izay mangataka izany, fa tsy toy izany intsony izao. Ankehitriny, ny te hangataka taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara dia tsy maintsy manantona ny foibe Immatriculateur eo Ambohidahy. Fanampiny izay, mba hialana amin'ny filaharana lavareny; ny fangatahana sy ny fangalana ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara dia misy fizarana fotoana. Ireto manaraka ireto ny tsara ho fantatra momba izany rehetra izany

    Dingana 1 : Mianatra mamily fiara eny anivon'ny toerana fianarana mamily

    Mianatra mamily fiara no dingana voalohany amin'ny fangatahana taratasy fahazon-dalana mitondra fiarakodia. Mizara roa ny fandaharam-pianarana. Misy ny fampianarana an-tsoratra ianarana lalànan'ny fifamoivoizana ary misy ihany koa ny fampianarana mitondra fiara arahana mpanara-maso.

    Dingana 2 : Manala fanadinana

    Rehefa nahavita ny fianarana mamily fiara dia manala fanadinana momban'ny lalanan'ny fifamoivoizana sy familiana fiara eny anivon'ny Agence des Transports Terrestres Tsimbazaza. Mikasika ny saram-panadinana dia andraikitry ny sekoly fampianarana mitondra fiara ny mandoa izany amin’ny anaran’ny kandidà eny amin'ny ATT. Izany saram-panadinana izany dia mitentina :

    • 10 000 Ar ho an'ny sokajy A, A' sy B
    • 15 000 Ar ho an'ny sokajy C, D ary E

    Dingana 3 : Manao fotoana eny anivon'ny CIM

    Rehefa afaka fanadinana dia manome taratasy ho an'ny mpangataka ny sekoly fampianarana mitondra fiara. Ity antontan-taratasy ity dia ahafahan'ny olona mangataka fahazoan-dàlana mamily fiara eny anivon'ny CIM.

    Dingana 4 : Fametrahana atontan-taratasy

    Amin’ny andro hametrahana ny antontan-taratasy dia tsy maintsy mitondra "chemise cartonée" maitso ny mpangataka ary mandoa ny saram-pandraharahana mitentina 38.000 Ar.

    Amin’io andro io ihany no hakana sary, anomezana ny taratasy fanamarinana vonjimaika ary hampahafantarina azy ny daty angalany ny taratasy fahazoana mamily fiara any.

    Ity ambany ity ny lisitry ny antontan-taratasy mila hoentina :

    Sokajy A sy A'

    • Kara-tsekoly
    • Kopia nahaterahana
    • Taratasy fanamarinam-ponenana
    • Sary famantarana 5

    Sokajy B

    • Dika mitovy ny kara-panondrom-pirenena
    • Kopia nahaterahana A
    • Fanamarinam-ponenana
    • Sary famantarana 5

    Fanitarana ho amin'ny sokajy C, D ary E

    • Dika mitovy ny kara-panondrom-pirenena
    • Kopia nahaterahana
    • Fanamarinam-ponenana
    • Sary famantarana 5
    • Fanamarinana ara-pahasalamana navoakan'ny Birao monisipaly ny hadiovana (BMH)
    • Kopia voamarina an'ny fahazoan-dàlana mitondra fiara sokajy B

    Dingana 5 : Fangalana ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiarakodia

    Mankeny anivon'ny CIM ny tompon'ny taratasy amin'ny andro voalaza ahafahany maka izany miaraka amin'ilay taratasy fanamarinana vonjimaika ary ny kara-panondrom-pirenena.

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefaso ny fangatahana
    TrustedTakelaka nohamararinin'ny sampana voakasika

    Zarao amin'ny tambazotra serasera

    Dingana 1 : Mianatra mamily fiara eny anivon'ny toerana fianarana mamily
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mg - v2.0.0Novokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer