prmLogoTorolalana
  • Fanazavana
  • Serivisy
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaAdy amin'ny fandikan-dalana ara-bola sy ara-toekarena

    Ady amin'ny fandikan-dalana ara-bola sy ara-toekarena

    Sampandraharaha mandray an-tanana ny fanadihadiana ireo fandikan-dalana ara-bola sy ara-toekarena toy : ny fisolokiana, ny fivadiam-pitokisana, ny fandikan-dalàna ny ladoany, ny fanodikodinam-bola, ny kolikoly, ny famotsiam-bola

    Faharetan'ny fikarakarana : miovaova araky ny tranga misy

    Toerana :

    • toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary Antananarivo
    • sampana fikarohana heloka bevava
    • vondrona manohana ny fikarohana fandikan-dalana
    • ekipa mpikaroka fandikandalana
    • tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena

    Mila fanampiana : comdpjsldef@gmail.com

    Sarany : tsy andoavam-bola

    DINGANA 1 : fametrahana fitoriana - Fitorohana

    Fanantonan’ireo izay manana fitorohana na fitarainanana eny amin'ny sampandraharaha miady amin'ny fandikan-dalàna ara-bola sy ara-toekarena eny amin'ny toby Ratsimandrava na eny amin'ny biraon'ny zandarimariam-pirenena misahana ny heloka bevava. Afaka maka mpisolo vava ihany koa ny mpitaraina hisolo tena azy.

    Famaritana : hazavaina tsara ilay zava-misy mba ahafahana mandray ny fepetra mifanaraka amin'ny tranga misy toy ny famonjena,ny fiarovana manokana.

    Faharetan'ny fikarakarana : 15 minitra

    Toerana :

    • toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary Antananarivo
    • sampana fikarohana heloka bevava
    • vondrona manohana ny fikarohana fandikan-dalàna
    • ekipa mpikaroka fandikan-dalàna
    • tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena

    Mila fanampiana : comdpjsldef@gmail.com

    Sarany : tsy andoavam-bola

    Zavatra hilaina :

    • fitoriana
    • fitorohana am-bava

    DINGANA 2 : fanadihadiana

    Raisina ny fanambaran'ny mpitory sy ny vavolombelona ary ireo antotan-taratasin’ady rehetra izay mety misy ifandraisany amin'ny zava-misy. Afaka miatrika tsara ny famotorana izay atao ny mpitaraina ny mpisolo vava azy.

    Famaritana : atao famotorana ilay mpitory sy ireo vavolombelona rehetra mba ahafahana mamoaka ireo karazana fandikan-dalana manoloana ilay tranga ary mampiantso na misambotra ny mpanao heloka.

    Faharetan'ny fikarakarana : miovaova araky ny zava misy

    Toerana :

    • toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary Antananarivo
    • sampana fikarohana heloka bevava
    • vondona manohana ny fikarohana fandikan-dalàna
    • ekipa mpikaroka fandikan-dalàna
    • tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena

    Sarany : tsy andoavam-bola

    Zavatra hilaina : fitoriana na fitorohana am-bava

    DINGANA 3 : fanaterana eny amin’ny fampanoavana (tribonaly) izay tompon’antoka

    Miaraka amin'ny zandary manantona ny fitsarana ny mpitory mba ahalalana ny tohiny raharaha sy ny toromariky ny mpitsara.

    Fanamarihana : raha toa ka ny antotantaratasin’ady fotsiny no alefa dia afaka tsy miaraka amin'ny zandary ny mpitory.

    Faharetan'ny fikarakarana : Iray andro

    Toerana :

    • toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary Antananarivo
    • sampana fikarohana heloka bevava
    • vondona manohana ny fikarohana fandikan-dalàna
    • ekipa mpikaroka fandikan-dalàna
    • tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena

    Sarany : tsy andoavam-bola

    Taratasy hilaina : tsy misy

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefaso ny fangatahana
    TrustedTakelaka nohamararinin'ny sampana voakasika

    Zarao amin'ny tambazotra serasera

    DINGANA 1 : fametrahana fitoriana - Fitorohana
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mg - v2.0.0Novokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer