prmLogoTorolalana
  • Fanazavana
  • Serivisy
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaIreo toeram-pizahantany malagasy tafiditra ao amin'ny vakoka maneran-tany

    Ireo toeram-pizahantany malagasy tafiditra ao amin'ny vakoka maneran-tany

    Ny nosy Madagasikara dia mitahiry karazam-pomba amam-panao sy kolotsaina maro, fifangaroan'ny toerana manan-kasina, ny edrika zava-kanto miavaka, ary ny faritra ara-boajanahary voaaro ahitana karazam-biby sy zava-maniry tsy fahita maro. Noho izany no nahatonga ireo harena maro ireo ho lasa lova iraisam-pirenenan'ny UNESCO mba hiantohana ny fiarovana azy ireo maharitra, satria manan-danja manokana izy ireo amin'ny maha lova iraisan'ny maha-olombelona azy.

    1- Ny zava-kanto vita amin'ny hazo Zafimaniry

    Ny foko Zafimaniry, izay mipetraka any amin'ny tendrombohitra atsimo atsinanan'Ambositra, dia nandalina ny asa fanorenan-trano amin'ny fomba miavaka. Ny varavarana sy ny varavarankely dia vita amin'ny hazo vita sikotra izay misy sary mifariparitra maneho ny tontolon'ny Zafimaniry.

    Ny haikanto Zafimaniry, voasokajy ho lova iraisam-pirenena an'ny UNESCO tamin'ny 2008, no harena tokana vita amin'ny hazo hany misy eto Madagasikara. Araka ny lovan-tsofina dia tamin'ny taonjato faha-18 no nanomboka nisintaka niala ny faritra misy ala ny foko Zafimaniry mba hialany ny famongorana ny ala. Tena mahalina tokoa ity zava-kanto tsara tarehy ity ka maro ny mpizaha tany tonga mijery ireo sarisary famantarana aminy. Mandritra ny fitsidihana dia hita fa ny trano, ny tolàna ary ny kojakoja ao an-tokatrano rehetra dia natao sikotra voakajy amin'ny hazo tamin'ny fahaiza-manao avo lenta. Ireo endrika vita amin'ny hazo ireo dia taratry ny kolotsaina austronésienne ary koa ny kolotsaina arabo.

    Karazan-kazo miisa 20 no ampiasaina amin'ny asa fanorenana sy ny asa fanaingoana. Ireo rafi-tsary izay manaingo ny varavarankely amin'ny trano vita amin'ny hazo dia maneho marika famantarana masina izay miaro ny faritra ary koa manambara ny firaisan'izy ireo amin'ny tontolo iainana. Eo indrindra no mampiavaka ny haikanton'izy ireo. Izany no tohivakana mampifandray ny Zafimaniry amin'ny zavaboary.

    2- Ny vohitr'andriana ao Ambohimanga

    Tamin'ny taonjato faha-19 dia izy no renivohitry ny fivavahana sy ivo masin'ny Fanjakan'i Madagasikara, ary ankehitriny dia toerana manan-kasina sy ara-apanahy izy. Tena manambara ny maha-malagasy sy ny rafi-pitondrana politika fahagola izy io ary mbola nitahiry ny hakantony sy ny heriny taty aoriana.

    Ny vohitr'andriana ao Ambohimanga dia voarafitry ny tananan'andriana sy ny fasan'nadriana ary ireo toerana manankasina izay mitahiry ny tantara sy ny mampiavaka ny endriky ny kolotsaina malagasy. Io toerana ifangaroan'ny hasina sy ny fady io dia fanaovana fivahinianana masina sy fivavahana efa ho 500 taona, ary afaka tsidihana sy ankafizina. Any amin'ireny toerana ireny tokoa mantsy no ahatsapana ny herin'ny tantara sy ny fandalovan'ny fotoana tamin'ireo vakoka miavaka sy ireo endri-javaboary tena izy.

    Izy ireny ihany koa no vavolombelon'ny kolotsaina austronésienne amin'ny alalan'ny fombafomabn'ny Ntaolo sy ny fomba fambolena. Ny vohitr'Ambohimanga dia mirakitra kolotsaina miavaka izay ahitana endri-panorenana tsy manampaharoa mampatsiahy ireo vanim-potoana lehibe teo amin'ny tantaram-pirenena.

    3- Ny valan-javaboary nasionaly Tsingin'i Bemaraha

    Ny Tsingy no fonena voalohan'ny mponina teto amin'ny nosy. Any amin'ny 300km andrefan'Antananarivo no misy azy. Io no anisan'ny toerana mahavariana indrindra eto madagasikara. Izany no nahatonga ny Tsingy ho anisan'ny voalohany voarakitra ao amin'ny lisitry ny lova iraisam-pirenenan'ny UNESCO.

    Azo tsidihana io toerana voasokajy ho lova iraisam-pirenena tamin'ny 1990 io. Izany dia mandrafitra ny ampahany amin'ny lembalembam-bato sokay izay mitovy anarana aminy ary miaraka amin'ny Valan-javaboary nasionalin'i Bemaraha, izay voasokajy tamin'ny 1997. Ny Tsingy izay hita ao dia manome endri-javaboary anisan'ny mahavariana indrina eto madagasikara, ahitana ireo lempona mitohitohy sy ireo lavadavaka ary ireo bolongam-bato sokay izay toa voasikotra tamin'ny zava-maranitra.

    Tamin'ny an-tapitrisany taona maro tany aloha dia tao amabny ranomasina io faritra io. Ireo akorandriaka sy haran-dranomasina no nitambatra ka nanome io vato izay manana hatevina 200m. Nikisaka tsikelikely ny ranomasina ka namela harambato sy lavaka lalina.

    Nanomboka niasa naharitra ary ny ny orana ka nahatonga fihotsakiny faritra ivelany sy ny anatiny. Raha raha namely ny tampon'ny Tsingy ny masoandro ka nahatrarany ny maripana avo indrindra, ny atin'ny lavaka lalina kosa dia nahitana zava-maniry izay miakatra mitady hafanana hahafahany mivelona. Mahavariana tokoa ny endrika asehon'ny valanjavaboarin'i Bemaraha, izay toerana tokony tsidhana voalohany eto Madagasikara.

    4- Ny valanjavaboary nasionalin'ny havoanan'i Marojejy

    Tena tsy hay ny tsy hankafy ireo vohitra avo voadidina zavona ao amin'ny valanjavaboary lehiben'i Marojejy. Raha mitsangatsangana ao amin'ny ala mikitroka ianao dia azonao atao ny manatona ny vohimasina sy ny karazan-javaboary mahavariana ao aminy. Any avaratra antsinanan'i Madagasikara no ahitana ny valanjavaboary nasionalin'ireo havoana Marojejy, eo anelanelan'Andapa sy Sambava. Ireo vohitra miavaka ireo dia ahitana rivotra iainana mifono misitery sy tsy ampoizina. Mila mivonona hianika satria ao Marojejy dia ahitana haram-bato sy toerana kanto ho tazanina raha toa ka mpankafy ny natiora.

    Loharanon'ny karazan-javaboary maro any, izay ahitana zava-maniry sy biby miavaka sady tsy fahita miandry anao. Apanga, rofia, vorona, gidro, sahona sy karazam-biby mandady maro no hita ao amin'izany faritra izay mando sy dia izany. Ny valanjavaboary dia misokatra mandavantaona, fa ny vanin'andro tena tsara raha hizaha dia ny volana aprily-may ary ny septambra-desambra, izay ts ahitana orana firy. Fantatra amin'ireo karazan-javaboary ao aminy i Marojejy.

    Endrika ala efatra, apanga maro, hazo rofia sy voninkazo isan-karazany no hamalifali ireo mpankafy zavaboary ao. Maro loko kokoa ny karazam-borona ao raha oahrina faritra hafa manerana ny nosy, izay ahitana karazana tsy fahita toy ny siketribe ary koa ilay gidro miloko fotsy. Afaka jerevana ao koa ny takthajania perrieri fahagola iza lasa vato, izy io dia zavamaniry tamin'ny vaninandron'ny dinôzôro, tamin'ny 120 tapitrisa taona lasa.

    5- Ny valanjavaboarin'ny tanjona Masoala

    Ny faritra Masoala, indrindra fa ny valanjavaboarin'ny Tanjona dia anisan'ny toerana voasokajy ho lova iraisam-pirenenan'ny UNESCO. Noho ireo karazan-javatra sy ireo tontolo ary ireo hetsika maro azo atao no maha toerana kanto sy miavaka azy, ary ny nofy rehetra dia zary azo tanterahana ao. Ny fitsangatsanganana an-tongotra, ny fanaovana antsitrika sy ny fitsidihana ara-kolotsaina dia anisan'ireo safidy maro azo atao rehefa mitsidika io toerana io.

    Voadidin'ny faritry Antsiranana, any avaratra atsinan'i Madagasikara izy io ary vasokajy ho toerana voaaro lehibe indrindra manerana ny nosy. Masoala dia iray amin'ireo toerana maneran-tany ahitana karazan-javaboary maro. Izany no nahatonga azy ho voarakitra ho lova iraisam-pirenena UNESCO tamin'ny 2007. Ny antsasa-manilan'ny karazan-javamaniry tsy fahita maneran-tany dia hita ao avokoa. Hita ao ihany koa anefa ireo karazam-biby toy ny gidro "vari roux", "aye-aye" ary ny sahona mena. Fitsangatsanganana maro no azo atao raha hizaha ny ala mikitrok'io faritra io. Ireo rano mikoriana, ireo lalam-by fahiny sy ireo renirany mahafinaritra hafa dia anisan'ireo zavatra meva maro azo jerevana ao.

    Masoala dia anisan'ireo faritra vitsy eto Madagasikara izay ahitana ala sy ranomasina mifandray. Toerana telo an-dranomasina no afaka anaovana antsitrika. Raha tsara vintana aza dia mety hahita ireo trozona izay manaraka sy miteraka ao amin'ny Helodranon' Antongila.

    6- Ny valanjavaboary nasionaly ao Ranomafana

    Ny valanjavaboarin'i Ranomafana, akaikiny Fianarantsoa, dia misy ala trôpikaly mirefy 41.600 hektara. Afaka mirihariha any anelakelan'ny ala ireo mpitsidika ary mitazana ireo karazan-javaboary izay tsy hita raha tsy eto anivon'ny nosy, izay efa mitady ho lany tamingana. Ny valanjavaboary nasionalin'i Ranomafana dia toerana tsy azo ihodivirana raha hitsidika ity nosy lehibe ity. Ho hitanao ao ireo karazam-biby miavaka, izay ahitana karazany tena tsy fahita kanefa efa ho lany tamingana.

    Hita ao avokoa ny vorona, ny lolo, ny ramanavy ary ny gidro. HIta ao ihany koa ny karazan-javamaniry tsy fahita indrindra maneran-tany, izay tsy maniry afatsy ao ihany. Hita manerana ny tanimboly sy eny amin'ny hazo ireo karazan-javamaniry raokandro sy ireo orkide maro ary zavamaniry mpihinana bibikely.

    Voadidina tendrombohitra io valanjavaboary io ary tena manome fahatsiarovana mahafinaritra ny fitsangatsanganana an-tongotra ho an'ny mpitia fanatanjahan-tena. Ankoatry ny valanjavaboary dia misy dobo filomanosana mafana izay sahabo 38°C koa ao. Avy matetika ny orana any ka ilaina ny mitondra akanjo aro orana sy ody moka mba hiarovanan amin'ny moka sy ny dinta mpitsetsitra rà.

    7- Ny valanjavaboary nasionaly ao Zahamena

    Tsy feno ny fitsidihana an'i Madagasikara raha tsy nandalo tao amin'ny valanjavaboary mahafinaritry Zahamena, izay any amin'ny faritra atsinanan'i Madagasikara. Io vala io, izay voasokajy ho lova iraisam-pirenena, dia mitahiry zavamaniry sy biby tsy fahita isan-karazany, izay azo jerena mandritra ny fandalovanao ao.

    Io no valanjavaboary anisany tsara indrindra eto Madagasikara, izay ahitana toe-trandro roa, morontsiraka sy afovoan-tany, izay mahatonga ny valan'i Zahamena ho voasokajy ho lova iraisam-pirenen'ny maha-olona. Mirakitra zavamaniry sy biby maro karazana, izay ahitana taha manakaiky ny 100% amin'ny maha-tsy fahita firy azy. Manakaiky ny 112 karazana tokoa mantsy ny karazam-borona miaina ao, iza tena vitsy dia vitsy ny sasany amin'izy ireo. Fa hita ao ihany koa ny gidro, ramanavy, biby mandady sy lolo maro, izay manome fampisehoana maro loko sy mahavariana. Tena fahafinaretan'ny maso tokoa.

    Ny zavamaniry ao koa dia tena miavaka. Tsy takona afenina ireo voninkazo maro izay mandravaka ny ala, toy ny orkide, ny voninkazo mandady sy ireo zavamaniry mpihinana bibikely. Voaaro ny vala ary ny mponina manodidina dia miady mafy hanajariana sy hampiroboroboana izany toerana izany, izay sarobidy tokoa ho an'ny vahoaka Malagasy. NY vala Zahamena dia vala azo hijerevana ny hakanton'ny ala atsinanan'i Madagasikara.

    8- Ny valanjavaboarin'ny tendrombohitr'Andringitra

    Ny valan'Andringitra dia isan'ny toerana voarakitra ho lova iraisam-prenena UNESCO ao amin'ny ala mando lava "Atsiranana". Io no tendrombohitra faharoa avo indrindra eto Madagasikara ary voarafitra granita sy vato gneissique. Tontolo hita maso manankarena, tanàna tsara tarehy sy karazan-javamananaina tsy manam-paharoa no ao.

    Anisan'ireo valanjavaboary kanto indrindra eto Madagasikara ny tendrombohitr'Andringitra, izay tena harena voajanahary. Misokatra ho an'ny daholo be izy io, ary ho an'ireo tia toerana malalaka sy ny fitsangatsanganana an-tendrombohitra dia zava-kanto hita maso midadasika tsy hita noanoa no miandry ao. Somary sarotra ny fidirana ao amin'ny vala kanefa rehefa tafiditra ao dia afaka mahita maso ny hakanton'ny ala trôpikaly sy afaka mihanika an'Imarivolanitra izay any amin'ny 2.658m.

    Misy karazana tontolo hita maso isankarazany ao Andringitra : bozaka, nosy kely rakotr'ala, kirihatra sy tany midadasika. Tena mahatalanjona ny tontolo manodidina ao noho ny fisian'ny riandrano izay avy any amin'ny 3.000m ambonin'i Riambavy. Araka ny tantara dia manatanteraka ny ny nofin'ireo olona tsy mety mahazo zaza ny fandroana ao amin'io rano io. Misy ihany koa ny fitsidihana ara-kolotsaina azo atao manodidina io vala io, izay ahazoanao mihaona amin'ny mponina sariaka izay mbola mandala ny fomba nentin-drazana.

    9- Ny valanjavaboary ao Andohahela

    Ny valanjavaboary ao Andohahela dia fihaonan'ny tontolo roa izay ahitana toetr'andro telo samy hafa ary koa zava-mananaina sy zava-maniry betsaka. Zavatra mahafinaritra no miandry ireo izay mitsidika azy. Toerana ahitana fahasamihafana mahatalanjona ny valan'Andohahela, izay ahitana toetr'andro telo sy tontolo samy manana ny mahaizy azy.

    Ny ilany atsinanana dia manana toetr'andro mafana sy mando, ny ilany andrefana dia somary mafana sy maina, ary ny ampahany ampovoany kosa dia toetr'andro somary mando izay manasaraka ireo roa teo aloha. Izany no antony fisiana zavaboary maro samihafa izay betsaka karazana tsy fahita firy. Ho an'ny tia ny natiora dia tena paradisa tokoa ao, ny 90 isan-jaton'ny zavamaniry ao dia azo atao fanafody avokoa. Hita ao ihany koa ny androngo, ny gidro, ny biby mandady sy ny vorona maro an'isa.

    Io harem-pirenena izay voasokajy ho lova iraisam-pirenena ny UNESCO io dia azo tsidihana miaraka amin'ny fianakaviana sy ny namana. Azo atao any koa ny fitsangantsanganana an-tongotra, ny bisikileta an-tendrombohitra sy ny filasiana amin'ny alina. Misy, tsy lavitry ny valanjavaboary, ny trano fivahinianana azo isafidianana araka ny toe-bola sy ny filàna, ary misy koa ny trano fisakafoana izay tsy mampiasa afatsy ny vokatra eo an-toerana.

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefaso ny fangatahana
    TrustedTakelaka nohamararinin'ny sampana voakasika

    Zarao amin'ny tambazotra serasera

    1- Ny zava-kanto vita amin'ny hazo Zafimaniry
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mg - v2.0.0Novokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer