Ireo aretina tsy mifindra
ALIZEIMERA
Famaritana
Aretina mivoatra izay manimba ny fitadidiana sy ireo singa ara-tsaina lehibe hafa.
Fahaverezan'ny fitadidiana izay manakorontana ny fiainana andavanandro.
Fahasarotan'ny fandaminana na ny famahana olana.
Fahasarotan'ny fanatanterahana ny raharaha andavanandro ao an-tokantrano, any am-piasana..
Fifangaroana eo amin'ny fotoana na ny toerana.
Fahasarotan'ny fahazoana ny kisarisary sy ny fifandraisan'ny toerana.
Olana vaovao momba ny fiteny na fanoratra
Fisorohana, Fitsaboana ary Antony mety miharo
Fihinanana sakafo ara- pahasalamana sy voalanjalanja,
Fialana amin’ny fifohana sigara sy ny fisotrona zava pisotro
misy alikaola ary ny fandraisana zava-mahadomelina,
Fampiasam-batana : fanaovana fanatajahantena, fanajana ny torimaso ho aradalana,
Fanaovana fanazaran-tsaina hitaizana ny fitadidiana :
famakiana boky, fanaovana kilalao mampiasa saina (kajy, ...)
Fifehezana ny fihetseham-po (hafaliana na alahelo diso tafahoatra)
Fandraisana anjara amin’ireo hetsika ara tsosialy samihafa ahafahana mifandray amin’ny fiaraha-monina
Antony mety mampidi-doza
Aretina mpahazo ny olona efa nahazo taona, miohatra ny 65 taona
Toerana fitiliana na fitsaboana
ONG Masoandro Mody any Fenomanana Mahazoarivo Antananarivo
AVC
Famaritana
Ny fahatapahana lalandrà a ny amin'ny loha, AVC, dia fihatoan'ny fikorinan'ny ra tampoka mankany amin'ny atidoha
Fambara :
Fahalemena tanteraka na ampahany. Matetika dia amin'ny ilany vatana izy io : ny sandry ilany, ny tongotra ilany, ny ilan-tava dia tsy matanjaka, tsy mahetsika;
Fahaverezan'ny fahatsapan'ny sandry, ny tongotra, ny tarehy na ny ila manontolon'ny vatana ;
Fambara tsy fahafahana miteny : misy fahasahiranana amin'ny firesahana mazava ilay olona ;
Tsy fahitana tampoka amin'ny maso iray na izy roa. Mety ho toa ny mahita mainty ny zavatra rehetra izy.
Aretin'andoha mahery, tsy misy antony mazava.
Misy famantarana hafa mety ho hita :
Verivery saina sy lasam-borona tampoka : tsy hain'ilay olona oe andro inona anio ;
Mihavery ny fiheverana ;
Sarotra ny fiteleman-javatra ;
Tsy fitovian'ny anakandriamaso na fijery tsy mahitsy.
Fisorohana, Fitsaboana ary Antony mety miharo
Raha toa ka tsy ampoizina tanteraka ny fahatapahan'ny lalandrà vokatry ny fahasamponana, dia azo andraisana andraikitra kosa ireo antony hafa mahatonga ny AVC :
Fisorohana ny fiakaran'ny tosidrà (fanarahamaso ara-potoana)
Ny fiakaran'ny tosidrà dia tokony ho raisina am-pahamatorana,
Tsy maintsy araha-maso ny tahan'ny kolesterola,
Tsy azo ovaovaina raha tsy nahazoana alalana avy amin'ny mpitsabo ireo fitsaboana ireo
Antony mety mampidi-doza
Antony mety mampidi-doza tsy afaka ovaina tsy azo ialana
Taona : ny AVC dia mety hitranga amin'ny salan-taona rehetra, na dia amin'ny ankizy aza. Ireo olona efa nahazo taona anefa no mety ho voa kokoa.
Fananahana : amin'ny lehilahy no mateti-pitranga ny AVC, saingy efa mihamaro koa ireo vehivavy no maty vokatr'io.
Manaranaka : manana tarazom-pianakaviana mikasika ny fiakaran'ny tosidrà sy/na ny AVC
Fiaviana : avy amin firenena afrikana na aziatika
Antony mety mampidi-doza afaka ovaina azo ialana
Fifohan-tsigara
Fiakaran'ny tosidrà
Dysplidémie : fiangonan'ny menaka ambony ao anatin'ny rà
Diabeta
Aretim-po
Tsy fahatomombanana eo amin'ny fivaingan'ny rà (thrombophilie)
Toerana fitiliana na fitsaboana
Ireo CSB na ireo hôpitaly manana ny plateau technique momba ny prise en charge ary tsindrina manokana ny servisy misahana ny neurologie raha misy
HOMAMIADANA
Fisorohana, Fitsaboana ary Antony mety miharo
Ahoana no hanenana ny vesatry ny homamiadana?
30 hatramin'ny 50% ny homamiadana dia afaka sorohana
Ireo fisorohana :
Alavirina ireo mety ho antony mampidi-doza
Manao vaksiny amin'ny HPV ho fisorohana ny homamiadan'ny tranon-jaza (zazavavy 9 hatramin'ny 13 taona)
Manao fitiliana dieny mbola kely
Firaisana ara-nofo voaaro
Vady tokana
Antony mety mampidi-doza
Ampahatelon'ny fahafatesana vokatry ny homamiadana dia noho ireo antony dimy momba ny fotondran-tena sy ny sakafo
Taha avon'ny hadirim-batana "fahatavezana"
Tsy fihinanana voankazo sy legioma betsaka
Tsy faaovana fanetseham-batana "fidonanana"
Fifohan-tsigara san fihinanam-paraky
Fampiasana na fisotroana alikaola tsy ara-drariny
Misy ihany koa ireo antony hafa :
Ny fitaninana andro ela loatra
Ny fihinanana akora simika matetika sy tafahoatra (charcuterie, sakafo am-by fotsy, zava-pisotro misy gaz,...)
Ny fanatrehana tara-javatra (radiations)
Ireo antony mety hahavoan'ny homamiadan'ny vozon-tranonjaza :
Fanaovana firaisana ara nofo aloha loatra ( latsaky ny 18 taona)
Firaisana ara nofo amin'olona maro
Miteraka maro loatra
Aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo tsy voatsabo
Fifohana sigara (paraky)
Fihenan'ny hery fiarovana
Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ? Naoty Ampio izahay hanatsara ny tranonkala