prmLogoTorolalana
  • Fanazavana
  • Serivisy
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaIreo aretina tsy mifindra

    Ireo aretina tsy mifindra

    ALIZEIMERA

    Famaritana

    Aretina mivoatra izay manimba ny fitadidiana sy ireo singa ara-tsaina lehibe hafa.

    • Fahaverezan'ny fitadidiana izay manakorontana ny fiainana andavanandro.
    • Fahasarotan'ny fandaminana na ny famahana olana.
    • Fahasarotan'ny fanatanterahana ny raharaha andavanandro ao an-tokantrano, any am-piasana..
    • Fifangaroana eo amin'ny fotoana na ny toerana.
    • Fahasarotan'ny fahazoana ny kisarisary sy ny fifandraisan'ny toerana.
    • Olana vaovao momba ny fiteny na fanoratra

    Fisorohana, Fitsaboana ary Antony mety miharo

    • Fihinanana sakafo ara- pahasalamana sy voalanjalanja,
    • Fialana amin’ny fifohana sigara sy ny fisotrona zava pisotro misy alikaola ary ny fandraisana zava-mahadomelina,
    • Fampiasam-batana : fanaovana fanatajahantena, fanajana ny torimaso ho aradalana,
    • Fanaovana fanazaran-tsaina hitaizana ny fitadidiana : famakiana boky, fanaovana kilalao mampiasa saina (kajy, ...)
    • Fifehezana ny fihetseham-po (hafaliana na alahelo diso tafahoatra)
    • Fandraisana anjara amin’ireo hetsika ara tsosialy samihafa ahafahana mifandray amin’ny fiaraha-monina

    Antony mety mampidi-doza

    Aretina mpahazo ny olona efa nahazo taona, miohatra ny 65 taona

    Toerana fitiliana na fitsaboana

    ONG Masoandro Mody any Fenomanana Mahazoarivo Antananarivo

    AVC

    Famaritana

    Ny fahatapahana lalandrà a ny amin'ny loha, AVC, dia fihatoan'ny fikorinan'ny ra tampoka mankany amin'ny atidoha

    Fambara :

    • Fahalemena tanteraka na ampahany. Matetika dia amin'ny ilany vatana izy io : ny sandry ilany, ny tongotra ilany, ny ilan-tava dia tsy matanjaka, tsy mahetsika;
    • Fahaverezan'ny fahatsapan'ny sandry, ny tongotra, ny tarehy na ny ila manontolon'ny vatana ;
    • Fambara tsy fahafahana miteny : misy fahasahiranana amin'ny firesahana mazava ilay olona ;
    • Tsy fahitana tampoka amin'ny maso iray na izy roa. Mety ho toa ny mahita mainty ny zavatra rehetra izy.
    • Aretin'andoha mahery, tsy misy antony mazava.

    Misy famantarana hafa mety ho hita :

    • Verivery saina sy lasam-borona tampoka : tsy hain'ilay olona oe andro inona anio ;
    • Mihavery ny fiheverana ;
    • Sarotra ny fiteleman-javatra ;
    • Tsy fitovian'ny anakandriamaso na fijery tsy mahitsy.

    Fisorohana, Fitsaboana ary Antony mety miharo

    Raha toa ka tsy ampoizina tanteraka ny fahatapahan'ny lalandrà vokatry ny fahasamponana, dia azo andraisana andraikitra kosa ireo antony hafa mahatonga ny AVC :

    • Fisorohana ny fiakaran'ny tosidrà (fanarahamaso ara-potoana)
    • Ny fiakaran'ny tosidrà dia tokony ho raisina am-pahamatorana,
    • Tsy maintsy araha-maso ny tahan'ny kolesterola,
    • Tsy azo ovaovaina raha tsy nahazoana alalana avy amin'ny mpitsabo ireo fitsaboana ireo

    Antony mety mampidi-doza

    Antony mety mampidi-doza tsy afaka ovaina tsy azo ialana

    • Taona : ny AVC dia mety hitranga amin'ny salan-taona rehetra, na dia amin'ny ankizy aza. Ireo olona efa nahazo taona anefa no mety ho voa kokoa.
    • Fananahana : amin'ny lehilahy no mateti-pitranga ny AVC, saingy efa mihamaro koa ireo vehivavy no maty vokatr'io.
    • Manaranaka : manana tarazom-pianakaviana mikasika ny fiakaran'ny tosidrà sy/na ny AVC
    • Fiaviana : avy amin firenena afrikana na aziatika

    Antony mety mampidi-doza afaka ovaina azo ialana

    • Fifohan-tsigara
    • Fiakaran'ny tosidrà
    • Dysplidémie : fiangonan'ny menaka ambony ao anatin'ny rà
    • Diabeta
    • Aretim-po
    • Tsy fahatomombanana eo amin'ny fivaingan'ny rà (thrombophilie)

    Toerana fitiliana na fitsaboana

    Ireo CSB na ireo hôpitaly manana ny plateau technique momba ny prise en charge ary tsindrina manokana ny servisy misahana ny neurologie raha misy

    HOMAMIADANA

    Fisorohana, Fitsaboana ary Antony mety miharo

    Ahoana no hanenana ny vesatry ny homamiadana?

    30 hatramin'ny 50% ny homamiadana dia afaka sorohana

    Ireo fisorohana :

    • Alavirina ireo mety ho antony mampidi-doza
    • Manao vaksiny amin'ny HPV ho fisorohana ny homamiadan'ny tranon-jaza (zazavavy 9 hatramin'ny 13 taona)
    • Manao fitiliana dieny mbola kely
    • Firaisana ara-nofo voaaro
    • Vady tokana

    Antony mety mampidi-doza

    Ampahatelon'ny fahafatesana vokatry ny homamiadana dia noho ireo antony dimy momba ny fotondran-tena sy ny sakafo

    • Taha avon'ny hadirim-batana "fahatavezana"
    • Tsy fihinanana voankazo sy legioma betsaka
    • Tsy faaovana fanetseham-batana "fidonanana"
    • Fifohan-tsigara san fihinanam-paraky
    • Fampiasana na fisotroana alikaola tsy ara-drariny Misy ihany koa ireo antony hafa :
    • Ny fitaninana andro ela loatra
    • Ny fihinanana akora simika matetika sy tafahoatra (charcuterie, sakafo am-by fotsy, zava-pisotro misy gaz,...)
    • Ny fanatrehana tara-javatra (radiations)

    Ireo antony mety hahavoan'ny homamiadan'ny vozon-tranonjaza :

    • Fanaovana firaisana ara nofo aloha loatra ( latsaky ny 18 taona)
    • Firaisana ara nofo amin'olona maro
    • Miteraka maro loatra
    • Aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo tsy voatsabo
    • Fifohana sigara (paraky)
    • Fihenan'ny hery fiarovana

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefaso ny fangatahana
    TrustedTakelaka nohamararinin'ny sampana voakasika

    Zarao amin'ny tambazotra serasera

    ALIZEIMERA
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mg - v2.0.0Novokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer