Torolalana
  • Serivisy
  • Fampahafantarana
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaFangalana « casier judiciaire » na bulletin N° 3

    Fangalana « casier judiciaire » na bulletin N° 3

    Ireo dingana mila arahina raha angataka firaketana an-tsoratra heloka bevava "casier judiciaire" na "bulletin N° 3"

    Dingana 1 : Omany ireo antotan-taratasy ilaina

    Ny antontan-taratasy tsy maintsy karakaraina mialoha dia :

    • Fangatahana atao sora-tànana (demande manuscrite- Jereo ity rohy ity)
    • Fotokopian'ny kara-panondrom-pirenena VOAMARINA tamin'ity taona ity.
    • Kopia lava na kopian'ny sora-pahaterahana.

    Dingana 2 : Atero ny fangatahana

    • Toerana : Fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) miasa eo amin'ny toerana nahaterahanao.
    • Ora fandraisana : alatsinainy ka hatramin'ny zoma, 8ora-12ora
    • Faharetan'ny fikarakarana : lazaina eo ampanaterana ny fangatahana. Amin’ny ankapobeany 24 ora eo ho eo.
    • Sarany : 2 000 ariary

    TPI Antananarivo

    Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo

    Miova ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo. Amin’izao fotoana izao, efa misy tolotra nomerika napetraka hahafahan'ny rehetra mamandrika fotoana eo anivon'ny sampandraharaha mikirakira ny firaketana heloka bevava sy amin'ny tranonkala.

    Dingana 1 : Omany ireo antotan-taratasy ilaina

    Ny antontan-taratasy tsy maintsy karakaraina mialoha dia :

    • Fangatahana atao sora-tànana (demande manuscrite), jereo ity rohy ity
    • Fotokopian'ny kara-panondrom-pirenena VOAMARINA tamin'ity taona ity.
    • Kopia lava na kopian'ny sora-pahaterahana.

    Dingana 2 : mamandrika fotoana amin'ny tranonkala

    https://digital.gov.mg/cj

    Distrika voakasika :

    • Antananarivo Renivohitra (boriborintany 1, 2, 3, 4, 5 ary 6)
    • Antananarivo Avaradrano
    • Antananarivo Antsimondrano
    • Manjakandriana
    • Ambohidratrimo
    • Anjozorobe
    • Andramasina

    Dingana 3 : Atero ny fangatahana

    • Toerana : Birao Etat Civil, varavarana 01, section Casier Judiciaire eo ampitan’ny cafeteria Fitsarana. Miditra eo amin’ny lalana manelanelana ny RNM sy ny Lapan’ny Fitsarana.
    • Ora fandraisana : alatsinainy ka hatramin'ny zoma, 8ora-12ora
    • Faharetan'ny fikarakarana : lazaina eo ampanaterana ny fangatahana. Amin’ny ankapobeany 24 ora eo ho eo.
    • Sarany : 2 000 ariary
    • Fanamarihana : atambaro ny taratasinao mba tsy hiparitaka (ohatra trombone )

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefa ny fangatahana

    Partager sur les réseaux sociaux

    Dingana 1 : Omany ireo antotan-taratasy ilaina
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mgNovokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer