prmLogoTorolalana
  • Fanazavana
  • Serivisy
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaFangalana « casier judiciaire » na bulletin N° 3

    Fangalana « casier judiciaire » na bulletin N° 3

    Ny firaketana an- tsoratra heloka bevava "casier judiciaire" na "bulletin N° 3" dia taratasy ofisialy mitanisa ny heloka bevava nataon'ny olona iray. Ahitana fampahalalana momba ny fanamelohana sy ny fandikan-dalàna izay naha- meloka ilay olona. Ity fampahalalana ity dia ahitana ny karazana heloka bevava, ny datin'ny fanamelohana, ary ny sazy nampiharina.

    Ny firaketana an- tsoratra heloka bevava dia matetika ampiasaina amin'ny asa, fangatahana visa, fangatahana fampindramam-bola, na toe-javatra hafa izay manan-danja ny fahafantarana ny tataran'ny olona iray eo anatrehan'ny lalàna. Mamela ny manam-pahefana sy ny mpampiasa hanamarina raha voaheloka noho ny heloka bevava ilay olona taloha. Ny firaketana an- tsoratra heloka bevava madio amin'ny ankapobeny dia manondro fa mbola tsy voaheloka noho ny heloka bevava ny olona iray.

    Faharetan'ny fikarakarana ankapobeny : 24 ora eo ho eo

    Toerana : tenue des registres administratifs / Section casier judiciaire

    Fitsarana ambaratonga voalohany eo amin'ny toerana nahaterahanao.

    Sarany : 2 000 Ariary

    Isan'ny dingana : 3

    Taratasy azo amin'ny farany : bulletin N°3

    Ireo dingana mila arahina raha angataka firaketana an-tsoratra heloka bevava "casier judiciaire" na "bulletin N° 3" :

    Dingana 1 : omany ireo antotan-taratasy ilaina

    Ny antontan-taratasy tsy maintsy karakaraina mialoha dia :

    • Fangatahana atao sora-tànana (demande manuscrite), jereo ity rohy ity
    • Fotokopian'ny kara-panondrom-pirenena VOAMARINA tamin'ity taona ity.
    • Kopia lava na kopian'ny sora-pahaterahana.

    Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : miankina amin'ny antontan-taratasy tsirairay

    Toerana fanaovana an'ity dingana ity : miankina amin'ny antontan-taratasy tsirairay

    Saran'ity dingana ity : miankina amin'ny antontan-taratasy tsirairay

    Dingana 2 : atero ny fangatahana

    Manatona ny biraon'ny fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) miasa eo amin'ny toerana nahaterahanao.

    • hamarinina ny antontan-taratasy rehetra
    • mandoa vola eo amin’ny tahirimbolam-panjakana

    Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : 30 min

    Toerana fanaovana an'ity dingana ity : fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) miasa eo amin'ny toerana nahaterahanao.

    Saran'ity dingana ity : 2 000 Ariary

    Dingana 3 : fangalana ny bulletin N°3

    Manatona ny biraon'ny fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) maka ny bulletin N°3

    Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : 10 min

    Toerana fanaovana an'ity dingana ity : fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) miasa eo amin'ny toerana nahaterahanao.

    Saran'ity dingana ity : 0 Ariary

    TPI Antananarivo

    Andrana nomerika eto Antananarivo

    Miova ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo. Amin’izao fotoana izao, efa misy tolotra nomerika napetraka hahafahan'ny rehetra mamandrika fotoana eo anivon'ny sampandraharaha mikirakira ny firaketana heloka bevava sy amin'ny tranonkala.

    Dingana 1 : Omany ireo antotan-taratasy ilaina

    Ny antontan-taratasy tsy maintsy karakaraina mialoha dia :

    • Fangatahana atao sora-tànana (demande manuscrite), jereo ity rohy ity
    • Fotokopian'ny kara-panondrom-pirenena VOAMARINA tamin'ity taona ity.
    • Kopia lava na kopian'ny sora-pahaterahana.

    Dingana 2 : mamandrika fotoana amin'ny tranonkala

    https://digital.gov.mg/cj

    Distrika voakasika :

    • Antananarivo Renivohitra (boriborintany 1, 2, 3, 4, 5 ary 6)
    • Antananarivo Avaradrano
    • Antananarivo Antsimondrano
    • Manjakandriana
    • Ambohidratrimo
    • Anjozorobe
    • Andramasina

    Dingana 3 : Atero ny fangatahana

    • Toerana : Birao Etat Civil, varavarana 01, section Casier Judiciaire eo ampitan’ny cafeteria Fitsarana. Miditra eo amin’ny lalana manelanelana ny RNM sy ny Lapan’ny Fitsarana.
    • Ora fandraisana : alatsinainy ka hatramin'ny zoma, 8ora-12ora
    • Faharetan'ny fikarakarana : lazaina eo ampanaterana ny fangatahana. Amin’ny ankapobeany 24 ora eo ho eo.
    • Sarany : 2 000 ariary
    • Fanamarihana : atambaro ny taratasinao mba tsy hiparitaka (ohatra trombone )

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefaso ny fangatahana
    TrustedTakelaka nohamararinin'ny sampana voakasika

    Zarao amin'ny tambazotra serasera

    Dingana 1 : omany ireo antotan-taratasy ilaina
    Fangatahana atao sora-tànana (1)Fotokopian'ny kara-panondrom-pirenena VOAMARINA tamin'ity taona ity (1)Kopia lava na kopian'ny sora-pahaterahana (1)
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mg - v2.0.0Novokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer