Ny raki-tsora-pajhaterahana no porofo ara-dalana ny fananana ny zo-pirenena ho an'olona iray.
Izay no antony ilana ny kopia feno na ny kopian'ny sora-pahaterahana amin'ny fikarakarana ofisialy maro, oty ny fanambadiana, fisarahana, fangatahana sy fanavaozana kara-panondro.
Ny raki-tsora-pahaterahana dia taratasy ofisialy, manaraka ny voalazan'ny lalàna ny votoatiny, izay manamarina ny fahaterahan'ny olona iray. Ny Tonian'ny Sora-piankohonana no manao sonia azy ary manamarina fa manara-dalàna io.
Ny fahaterahana rehetra dia tsy maintsy soratana ao amin'ny tonian'ny sora-piankohonana farafahatarany telopolo (30) andro aorian'ny nahaterahana.
Eo anivon'ny firaisana nahaterahana no hanaovana izany.
Araka izany, rehefa teraka ny zaza iray, ny zavatra voalohany tokony atao dia ny fanoratana ny nahaterahany ao amin'ny rejisitrin'ny soram-piankohonana eny anivon'ny kaominina nahaterahany.
Ny taratasy ilaina raha haka kopia nahaterahana
Ireto avy ny taratasy ilaina raha haka kopia nahaterahana
Taratsy fanamarinam-piterahana
Boki-pianakaviana,
Dika mitovin'ny kara-panondron'ny reniny
Dika mitovy ny kara-panondron'ny mpanolotra
Fisy fanisana ny teraka
Vola 1000ar
Vita ao anatin'ny fotoana fohy ny kopia.
Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?