Fangalana kopia nahaterahana
Ny raki-tsora-pajhaterahana no porofo ara-dalana ny fananana ny zo-pirenena ho an'olona iray.
Izay no antony ilana ny kopia feno na ny kopian'ny sora-pahaterahana amin'ny fikarakarana ofisialy maro, oty ny fanambadiana, fisarahana, fangatahana sy fanavaozana kara-panondro.
Ny raki-tsora-pahaterahana dia taratasy ofisialy, manaraka ny voalazan'ny lalàna ny votoatiny, izay manamarina ny fahaterahan'ny olona iray. Ny Tonian'ny Sora-piankohonana no manao sonia azy ary manamarina fa manara-dalàna io.
Ny fahaterahana rehetra dia tsy maintsy soratana ao amin'ny Tonian'ny sora-piankohonana ao amin'ny firaisana nahaterahana telo andro aorian'ny nahaterahana. Izay no hahafahana manaporofo ny maha-olom-pirenena ny olona iray.
Araka izany, rehefa teraka ny zaza iray, ny zavatra voalohany tokony atao dia ny fanoratana ny nahaterahany ao amin'ny rejisitry ny soram-piankohonana eny anivon'ny kaominina nahaterahany.
les pièces requises pour avoir un acte de naissance
Les pièces requises figurent dans la liste suivante :
- Un Certificat d’accouchement
- Livret de famille Photocopie CIN de la mère
- Photocopie CIN du déclarant(e)
- Fiche statistique de naissance INSTAT
- Un montant s’élevant à 1000 Ar
L’acte sera par la suite délivré instantanément.