prmLogoTorolalana
  • Fanazavana
  • Serivisy
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaCaisse Nationale de Prévoyance Sociale (CNaPS)

    Caisse Nationale de Prévoyance Sociale (CNaPS)

    Ny CNaPS dia sampan-draharaham-panjakana manana endrika ara-barotra sy indostrialy, eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy sy ny Ministeran’ny Vola sy ny Toe-karena. Ny iraka sahaniny dia mandray anjara feno amin’ny fanantanterahana ny politikan’ny fiahiana ara-tsosialin’ny Fanjakana malagasy ho an’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, manome azy ireo sy ny fianakaviany ary ny mitovy aminy ny tolotra mahakasika ny fiahiana ny fianakaviana, ny fandraisana an-tanana ny loza sy aretina vokatry ny asa ary ny fisotroan-dronono. Mampihatra ihany koa ny Lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy ; mandray an-tanana ny asa mifandraika amin’ny ara-pahasalamana sy ny ara-tsosialy toy ny fisorohana ny loza sy aretina vokatry ny asa, ny fampiroboroboana ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fahasalamana eny anivon’ny toeram-piasana, ny fanapariahana ny rijan-teny mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy, ny asa sosialy ho tombotsoan’ireo mpikambana CNaPS sy ny fianakaviany.

    Dingana arahina

    Jereo amin’ity rohy ity ireo dingana rehetra arahina amin’ny fisitrahana ireo tolotra ara-tsosialy : https://www.cnaps.mg/fr/categorie/comment-adherer.

    Antontan-taratasy ilaina :

    Misy karazany ireo antontan-taratasy omena ny mpikambana, arakaraky ny ilaina azy. Azonao jerena sy alaina amin’ity rohy ity ireo taratasy hanaovana fangatahana : https://www.cnaps.mg/fr/telechargement

    • LATSAKEMBOKA
    1. Taratasy fanamarinana tokana CNaPS- FMFP mahakasika ny Talon Declaration Nominative des Salaires
    2. Taratasy fanamarinana tokana CNaPS-FMFP Filazan-karama (DNS) amin’ny endriny elektronika
    3. Taratasy Filazan-karama (DNS)
    4. Taratasy Filazan-karama (DNS) ho an’ny Sampan-draharam-panjakana
    5. Filazan-karama (DNS) SME 2022
    • FAHAZOANA LAHARANA SY FIDIRANA HO MPIKAMBANA
    1. Filazana fampidirana na fanalana mpiasa, fangatahana laharana CNaPS ho an’ny mpiasa
    2. Filazana fampidirana / fanalana mpiasa iraisana
    3. Fangatahana laharana maha mpikambana ho an’ny mpampiasa
    4. Fangatahana fanoloana sokajin’anaranan’ilay orinasa (Raison Sociale)
    • FANAMPIANA NY FIANAKAVIANA
    1. Fangatahana volan-jaza
    2. Fangatahana volan’ny bevohoka sy mpitaiza kely
    3. Fangatahana antsasa-karama
    4. Fangatahana fanonerana ny vola lany tamin’ny fiterahana
    5. Taratasy fanamarinana tombok’ora
    6. Fangatahana fanamarinana tsy fandoavana Zo
    • LOZA SY ARETINA VOKATRY NY ASA
    1. Karatry ny tra-doza
    2. Taratasy A- B- C
    3. Taratasy filazana loza sy aretina vokatry ny asa • FISOTROAN-DRONONO
    4. Taratasy fangatahana fisitrahana ny Zo (DLPR)
    5. Taratasy fanamarinana ny niasana sy ny karama
    6. Taratasy fangatahana famindrana latsakemboka
    7. Taratasy fanamarinana tsy fahafahana miasa

    Faharetan'ny fikarakarana ankapobeny :

    Ny fotoana hikirakirana ny antontan-taratasy dia tahaka izao manaraka izao, raha toa ka ara-dalàna ny antontan-taratasy :

    • Fanampiana ny fianakaviana : 15 andro
    • Fisotroan-dronono : 90 andro

    Ny toerana hikirakirana ireo antontan-taratasy :

    Azon’ny mpikambana CNaPS atao ny mametraka ny antontan-taratasiny eny amin’ny birao CNaPS rehetra akaiky azy sy manerana ny Nosy. (Foibe eny Ampefiloha, ireo Masoivoho, Tendro sy birao manodidina) na amin’ny alalan’ny :

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefaso ny fangatahana
    TrustedTakelaka nohamararinin'ny sampana voakasika

    Zarao amin'ny tambazotra serasera

    Dingana arahina
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mg - v2.0.0Novokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer