Tsy resaka safidina toerana fanorenana fotsiny ny fananganana trano fiasana, trano fonenana na trano fanatobiana entana. Betsaka ny safidy hahafahana mahita ny tany mety indrindra : an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, miara-monina na mitoka-monina, mitongilana na mahitsy, lava sy tery na midadasika. Na izany aza, tsy maintsy feno ny fepetra rehetra vao tokony manorina trano. Maro ny fepetra tsy maintsy dinihina mialoha mba hahalalana hoe azo hanorenana ve ny toerana iray.
Ireto avy ny dingana arahina raha hividy tany amin'olon-tsotra :
Dingana 1 : fanamarinana ny fanana-tany
Hamarinina tsara aloha raha manana titra na kadasitra marina ilay olona hivarotra. Alaina aminy ny fotokopian'ny taratasy fanamarinana fananan-tany vita kadasitra na titra (certificat de situation juridique), na ny laharan'ny titra sy ny anaran'ny tany. Manao fangatahana taratasy fanamarinana fananan-tany vita kadasitra na titra vaovao.
Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : roapolo (20) andro iasana eo ho eo.
dika mitovy voamarina ny karam-panondrom-pirenena;
laharan’ny «titra» sy anaran’ny tany ; raha kadasitra : toerana misy azy, ny sokajy (section), laharan’ny parsely, ny rejistra ary ny takelaka (folio).
taratasy fangatahana (imprimé).
Taratasy azo : taratasy fanamarinana fananan-tany vita kadasitra na titra.
Fanamarihana :
hamarinina tsara fa olona voasoratra ao anatin’ny « Certificat de Situation Juridique - CSJ » latsaky ny telo volana ny olona hivarotra ary izy irery ihany no tompony, na ireo tompony hafa dia samy manaiky ny hivarotra daholo;
raha tsy izy irery no misoratra ao fa ny ray aman-dreniny efa maty dia asaina manao
famindrana araka ny lova aloha izy (mutation par décès), raha maro no misoratra ao
amin’ny bokin-tany na kadasitra dia asaina manao fizarana aloha izy (partage), rehefa
tsy ny rehetra misoratra ao no hanao ny fampivarotana. RAHA TSY IZANY dia lasa
ianao no miantsoroka ny fanaovana ireo rehetra ireo;
raha manambady ara-dalàna ilay olona misoratra ao amin’ny titra, eny fa na dia ny iray
amin’ny mpivady ihany aza no misoratra ao amin’ny titra dia TSY MAINTSY miaraka
manao sonia ny mpivady hivarotra (biens acquis pendant le mariage), na manao
fanamafisana (ratification) ilay vady tsy voasoratra ao anaty titra;
tsy tokony hatao mihitsy koa izany ny mividy tany mbola eo an-dàlana ny fangatahana
azy satria tsy fantatra raha ho azon’ilay mpangataka te-hivarotra na tsia ilay tany;
alohan’ny hividy ny tany dia angatahana eo anivon’ny fanajariana ny tany aloha ny
fepetra ara-panajariana rehetra sy ny fanomezan-dalana hivarotra na hanavaka ny tany
(prescription d’urbanisme et autorisation de transaction ou de morcellement),
«certificat de situation juridique » sy sari-tany (plan) misy «coordonnées Laborde»
no entina mangataka izany.
Dingana 2 : sari-tany (plan)
Asa fanaovana "plan régulier" na sari-tany ara-dalana manara-penitra.
Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : folo (10) andro
Saran'ity dingana ity : miankina ny didim-panjakana na ny fanampahan-kevitry ny kaominina
Taratasy ilaina :
fanamarinana Fananan-tany iray tsy lany daty ho an’ny tany misy titra na kadasitra (latsaky ny 3 volana)
Sarin-tany ofisialy dimy (5) miaraka amin’ny fangitra (coordonnées Laborde )
Porofon'ny fananana :
kara-panondrom-pirenena
fifanekena ara-barotra / taratasy fanolorana / fanamarinana maha mpandova (acte de
notoriété)
drafitra fanorenana novolavolain'ny manampahaizana (Plan de construction établit par un expert)
Taratasy azo : fanomezan-dalana hivarotra na hanavaka ny tany (autorisation de transaction ou de morcellement)
Dingana 4 : fifanekena ara-barotra
Ny fifanekena ara-barotra dia azo ataon'ny olon-tsotra, ny notary (acte notarié) na ny mpiasam-panjakana (acte authentique).
Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : 48 ora
Toerana fanaovana an'ity dingana ity : kaominina na boriboritany misy ny tany
Saran'ity dingana ity : 2,5 % eo ho eo ny vidin'ny tany
Taratasy ilaina :
05 taratasy fifanekena ara- barotra
fanamarinana Fananan-tany iray tsy lany daty ho an’ny tany misy titra na kadasitra (latsaky ny 3 volana)
sari-tany dimy (05) raha ampahan-tany, telo (3) raha tany manontolo
boki-tany titra na kadasitra
Fotokopia kara-panondrom-pirenena voamarina an'ny mpividy sy mpivarotra ary ny vavolombelona roa tonta miaraka amin'ny fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
Firaiketana am- boky eo anivon'ny ivon-ketra misy ny tany
Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : 5 andro
Toerana fanaovana an'ity dingana ity : Ivon-ketra misy ny tany
Saran'ity dingana ity : 5 % eo ho eo ny vidin'ny tany ho an'ny mpivarotra, 5 % koa ho an'ny mpividy
Taratasy ilaina :
05 taratasy fifanekena ara- barotra
fanamarinana Fananan-tany iray tsy lany daty ho an’ny tany misy titra na kadasitra (latsaky ny 3 volana)
sari-tany dimy (05) raha ampahan-tany, telo (3) raha tany manontolo
boki-tany titra na kadasitra
Fotokopia kara-panondrom-pirenena voamarina an'ny mpividy sy mpivarotra ary ny vavolombelona roa tonta miaraka amin'ny fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
“chemise ordinaire” iray
Taratasy azo : taratasy manamarina fa vita firaiketana am- boky (enregistrement) sy nahaloa haba ilay tany.
Dingana 6 : hamindra tany
Famindrana ny tany ho amin'ny anaran'ny mpividy.
Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : 1 ka hatramin'ny 20 andro
fanamarinana fananan-tany iray tsy lany daty ho an’ny tany misy titra na kadasitra (latsaky ny 3 volana)
sari-tany voarakitra amin'ny boky
boki-tany titra na kadasitra
Fotokopia kara-panondrom-pirenena voamarina an'ny mpividy sy mpivarotra ary ny vavolombelona roa tonta miaraka amin'ny fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
taratasy manamarina fa vita firaiketana am- boky (enregistrement) sy nahaloa haba ilay tany
fanomezan-dalana hivarotra na hanavaka ny tany (autorisation de transaction ou de morcellement)
“chemise ordinaire” iray
Taratasy azo : taratasy manamarina fa vita firaiketana am- boky (enregistrement) sy nahaloa haba ilay tany.
Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?