prmLogoTorolalana
  • Fanazavana
  • Serivisy
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaHividy tany amin'olon-tsotra

    Hividy tany amin'olon-tsotra

    Tsy resaka safidina toerana fanorenana fotsiny ny fananganana trano fiasana, trano fonenana na trano fanatobiana entana. Betsaka ny safidy hahafahana mahita ny tany mety indrindra : an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, miara-monina na mitoka-monina, mitongilana na mahitsy, lava sy tery na midadasika. Na izany aza, tsy maintsy feno ny fepetra rehetra vao tokony manorina trano. Maro ny fepetra tsy maintsy dinihina mialoha mba hahalalana hoe azo hanorenana ve ny toerana iray.

    Ireto avy ny dingana arahina raha hividy tany amin'olon-tsotra :

    Dingana 1 : fanamarinana ny fanana-tany

    Hamarinina tsara aloha raha manana titra na kadasitra marina ilay olona hivarotra. Alaina aminy ny fotokopian'ny taratasy fanamarinana fananan-tany vita kadasitra na titra (certificat de situation juridique), na ny laharan'ny titra sy ny anaran'ny tany. Manao fangatahana taratasy fanamarinana fananan-tany vita kadasitra na titra vaovao.

    Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : roapolo (20) andro iasana eo ho eo.

    Toerana fanaovana an'ity dingana ity : sampandraharahan’ny fananan-tany misy ilay tany.

    Saran'ity dingana ity : 4 000 Ar.

    Taratasy ilaina :

    1. dika mitovy voamarina ny karam-panondrom-pirenena;
    2. laharan’ny «titra» sy anaran’ny tany ; raha kadasitra : toerana misy azy, ny sokajy (section), laharan’ny parsely, ny rejistra ary ny takelaka (folio).
    3. taratasy fangatahana (imprimé).

    Taratasy azo : taratasy fanamarinana fananan-tany vita kadasitra na titra.

    Fanamarihana :

    • hamarinina tsara fa olona voasoratra ao anatin’ny « Certificat de Situation Juridique - CSJ » latsaky ny telo volana ny olona hivarotra ary izy irery ihany no tompony, na ireo tompony hafa dia samy manaiky ny hivarotra daholo;
    • raha tsy izy irery no misoratra ao fa ny ray aman-dreniny efa maty dia asaina manao famindrana araka ny lova aloha izy (mutation par décès), raha maro no misoratra ao amin’ny bokin-tany na kadasitra dia asaina manao fizarana aloha izy (partage), rehefa tsy ny rehetra misoratra ao no hanao ny fampivarotana. RAHA TSY IZANY dia lasa ianao no miantsoroka ny fanaovana ireo rehetra ireo;
    • raha manambady ara-dalàna ilay olona misoratra ao amin’ny titra, eny fa na dia ny iray amin’ny mpivady ihany aza no misoratra ao amin’ny titra dia TSY MAINTSY miaraka manao sonia ny mpivady hivarotra (biens acquis pendant le mariage), na manao fanamafisana (ratification) ilay vady tsy voasoratra ao anaty titra;
    • tsy tokony hatao mihitsy koa izany ny mividy tany mbola eo an-dàlana ny fangatahana azy satria tsy fantatra raha ho azon’ilay mpangataka te-hivarotra na tsia ilay tany;
    • alohan’ny hividy ny tany dia angatahana eo anivon’ny fanajariana ny tany aloha ny fepetra ara-panajariana rehetra sy ny fanomezan-dalana hivarotra na hanavaka ny tany (prescription d’urbanisme et autorisation de transaction ou de morcellement), «certificat de situation juridique » sy sari-tany (plan) misy «coordonnées Laborde» no entina mangataka izany.

    Dingana 2 : sari-tany (plan)

    Asa fanaovana "plan régulier" na sari-tany ara-dalana manara-penitra.

    Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : folo (10) andro

    Toerana fanaovana an'ity dingana ity : sampandraharahan’ny fandrefesan-tany misy ilay tany (CIRTOPO)

    Saran'ity dingana ity : jereo ny rohy

    Taratasy ilaina :

    • Fangatahana atao an-tsoratra
    • sari-tany Reniny iray
    • “chemise ordinaire” iray
    • fanamarinana Fananan-tany iray tsy lany daty ho an’ny tany misy titra na kadasitra (latsaky ny 3 volana)

    Taratasy azo : sari-tany dimy (5) raha ampahan-tany, telo (3) raha tany manontolo

    Dingana 3 : taratasy momba ny fanajariana

    Mila fantarina hoe azo anorenana ve sa tsia ohatra io tany io ? azo afindra ?

    Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : roa (2) andro

    Toerana fanaovana an'ity dingana ity : sampandraharahan’ny fananantany misy ilay tany (SRAT).

    Saran'ity dingana ity : miankina ny didim-panjakana na ny fanampahan-kevitry ny kaominina

    Taratasy ilaina :

    • fanamarinana Fananan-tany iray tsy lany daty ho an’ny tany misy titra na kadasitra (latsaky ny 3 volana) Sarin-tany ofisialy dimy (5) miaraka amin’ny fangitra (coordonnées Laborde )

    Porofon'ny fananana :

    • kara-panondrom-pirenena
    • fifanekena ara-barotra / taratasy fanolorana / fanamarinana maha mpandova (acte de notoriété)
    • drafitra fanorenana novolavolain'ny manampahaizana (Plan de construction établit par un expert)

    Taratasy azo : fanomezan-dalana hivarotra na hanavaka ny tany (autorisation de transaction ou de morcellement)

    Dingana 4 : fifanekena ara-barotra

    Ny fifanekena ara-barotra dia azo ataon'ny olon-tsotra, ny notary (acte notarié) na ny mpiasam-panjakana (acte authentique).

    Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : 48 ora

    Toerana fanaovana an'ity dingana ity : kaominina na boriboritany misy ny tany

    Saran'ity dingana ity : 2,5 % eo ho eo ny vidin'ny tany

    Taratasy ilaina :

    • 05 taratasy fifanekena ara- barotra
    • fanamarinana Fananan-tany iray tsy lany daty ho an’ny tany misy titra na kadasitra (latsaky ny 3 volana)
    • sari-tany dimy (05) raha ampahan-tany, telo (3) raha tany manontolo
    • boki-tany titra na kadasitra
    • Fotokopia kara-panondrom-pirenena voamarina an'ny mpividy sy mpivarotra ary ny vavolombelona roa tonta miaraka amin'ny fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
    • fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
    • “chemise ordinaire” iray

    Taratasy azo : dimy (5) taratasy fifanekena ara- barotra

    Dingana 5 : firaiketana am- boky

    Firaiketana am- boky eo anivon'ny ivon-ketra misy ny tany

    Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : 5 andro

    Toerana fanaovana an'ity dingana ity : Ivon-ketra misy ny tany

    Saran'ity dingana ity : 5 % eo ho eo ny vidin'ny tany ho an'ny mpivarotra, 5 % koa ho an'ny mpividy

    Taratasy ilaina :

    • 05 taratasy fifanekena ara- barotra
    • fanamarinana Fananan-tany iray tsy lany daty ho an’ny tany misy titra na kadasitra (latsaky ny 3 volana)
    • sari-tany dimy (05) raha ampahan-tany, telo (3) raha tany manontolo
    • boki-tany titra na kadasitra
    • Fotokopia kara-panondrom-pirenena voamarina an'ny mpividy sy mpivarotra ary ny vavolombelona roa tonta miaraka amin'ny fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
    • fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
    • “chemise ordinaire” iray

    Taratasy azo : taratasy manamarina fa vita firaiketana am- boky (enregistrement) sy nahaloa haba ilay tany.

    Dingana 6 : hamindra tany

    Famindrana ny tany ho amin'ny anaran'ny mpividy.

    Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : 1 ka hatramin'ny 20 andro

    Toerana fanaovana an'ity dingana ity : sampandraharahan’ny fananan-tany misy ilay tany (CIRDOMA)

    Saran'ity dingana ity : asa fanatsatoham-bato + famindrana amin'ny mpividy

    Taratasy ilaina :

    • fangatahana famindrana voasonia, ary lazaina ao ny anaran’ny vady raha manambady.
    • taratasy fiantohana milaza fa tsy misy hosoka io fifampivarotana natao io, voasonia ary nohamarinina ny sonia
    • taratasy fifanekena ara- barotra voarakitra amin'ny boky
    • fanamarinana fananan-tany iray tsy lany daty ho an’ny tany misy titra na kadasitra (latsaky ny 3 volana)
    • sari-tany voarakitra amin'ny boky
    • boki-tany titra na kadasitra
    • Fotokopia kara-panondrom-pirenena voamarina an'ny mpividy sy mpivarotra ary ny vavolombelona roa tonta miaraka amin'ny fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
    • fanamarinam'ponenan'ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
    • taratasy manamarina fa vita firaiketana am- boky (enregistrement) sy nahaloa haba ilay tany
    • fanomezan-dalana hivarotra na hanavaka ny tany (autorisation de transaction ou de morcellement)
    • “chemise ordinaire” iray

    Taratasy azo : taratasy manamarina fa vita firaiketana am- boky (enregistrement) sy nahaloa haba ilay tany.

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefaso ny fangatahana
    TrustedTakelaka nohamararinin'ny sampana voakasika

    Zarao amin'ny tambazotra serasera

    Dingana 1 : fanamarinana ny fanana-tany
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mg - v2.0.0Novokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer