prmLogoTorolalana
  • Fanazavana
  • Serivisy
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaFamadihana ny kadasitra ho titra fananan-tany

    Famadihana ny kadasitra ho titra fananan-tany

    Ho an'iza ?

    Natokana ho an'izay mana-tany avy amin'ny alalan'ny kadasitra.

    Ireo dingana arahina

    1. Fandefasana ny antontan-taratasy any amin'ny birao Ifoton'ny fananan-tany
    2. Fandraisanan'ny tomponan'andraikitra ny antontan-taratasy raha tsy misy fanamarihana
    3. Fahazoana ny laharana prévisa
    4. Visa
    5. Fandoavana ny saram-panoratana (raha feno ny antontan-taratasy)
    6. Fanampiana ny antontan-taratasy tsy feno
    7. Fahazoana ny laharan'ny antontan-taratasy
    8. Fizarana ny antontan-taratasy amin'ny sampan-draharaha isan-tsokajiny
    9. Fikarakarana
    10. Fanasoniavana
    11. Fitehirizana ny antontan-taratasy ao amin'ny arisiva miandry ny fanomezana ny titra

    Taratasy ilaina :

    1. taratasy fanamarinana ny fananan-tany (latsaky ny telo volana)
    2. bokin-tany
    3. kadasitra na didy navoakan'ny fitsarana voamarina araka ny voalazan'ny didim-pitsarana raikitra misy soratra hoe : « POUR IMMATRICULATION »
    4. taratasy fangatahana "Immatriculation"
    5. taratasy fiantohana voasonia sy voamarina
    6. sari-tany (02) ampiarahana amin'ny fangatahana

    Faharetan'ny fikarakarana : 1 ka hatramin'ny 20 andro aorian'ny fandoavana vola

    Toerana :

    Sampandraharahan'ny fananan-tany misy ilay tany

    Sarany :

    • saram-panoratana : 50 000Ar
    • saram-panoratana tsy miova : 30 000Ar
    • famoronana bokin-tany : 30 000Ar
    • fanoratana ny fetran'ny tany sy ny ao anatiny : 20 000Ar

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefaso ny fangatahana
    TrustedTakelaka nohamararinin'ny sampana voakasika

    Zarao amin'ny tambazotra serasera

    Ireo dingana arahina
    Taratasy fanamarinana ny fananan-tany (latsaky ny telo volana) (1) Bokin-tany (1)Taratasy fanamarinana ny fananan-tany (latsaky ny telo volana) (1)Taratasy fangatahana “Immatriculation” (1)Taratasy fiantohana voasonia sy voamarina (1)Sari-tany (02) ampiarahana amin’ny fangatahana (2)
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranonkala

    FandraisanaSerivisyMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mg - v2.0.0Novokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer