Ireo dingana arahina
- dika mitovy ny antontan-taratasy nangatahana voamarina teny anivon'ny kaomina,
- famenoana ny taratasy fampiantranoana sy fiantsorohana voamarina ara-dalàna ao amin'ny kaomina (Raha misy fampiantranoana),
- fanaterana ny antontan-taratasy feno ao amin'ny birao filankevitry ny Minisiteran'ny Atitany,
- famenoana taratasy atao dika mitovy roa ampiarahina amin'ny atotan-taratasy rehetra,
- fandoavana ny saran-draharaha ao amin'ny birao andoavam-bola,
- fandraisana ny visa ao amin'ny birao filankevitra akaikin'ny fandraisana.
Taratasy ilaina :
- fangatahana an-tsoratra makany amin'ny Minisitry ny Atitany,
- dika mitovy ny visa sy kara-pivahiniana maharitra (carte de long séjour),
- dika mitovy ny pasipaoro vaovao voamarina ,
- pasipaoro vaovao,
- dika mitovy miisa roa ny taratasy mpanagonana feno.
Faharetan'ny fikarakarana :
2 herinandro ka hatramin'ny 1 volana
Toerana :
Direction de l'immigration et emigration (DIE)
Ministeran'ny atitany
Sarany :
- 3 volana ka hatramin'ny 1 taona : 1 820 944 Ariary,
- 1 taona ka hatramin'ny 2 taona : 2 377 925 Ariary,
- 2 taona ka hatramin'ny 3 taona : 3 121 884 Ariary,
- 3 taona ka hatramin'ny 5 taona : 3 596 471 Ariary,
- 5 taona ka hatramin'ny 10 taona : 4 920 119 Ariary,
- Mandrakizay : 1 920 944 Ariary.