Torolalana
  • Raharaha
  • Fampahafantarana
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaExtrait nominatif d’équivalence administrative de titres et diplômes

    Extrait nominatif d’équivalence administrative de titres et diplômes

    Ireo dingana arahina amin'ny fangatahana “Extrait nominatif d’équivalence administrative de titres et diplômes”

    Dingana 1: Manao fikarohana

    Alohan'ny hanombohanao ny fangatahana dia hamarino raha manana “équivalence administrative” ny maripahaizanao na tsia. Mba hanaovana izany, azonao atao ny mampiasa ny fitaovana amin'ity rohy manaraka ity: fitaovana fikarohana

    Raha toa ka manana “équivalence administrative” ny maripahaizanao dia ho hitanao manandrify azy eo ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fangatahana.

    Raha tsy manana “équivalence administrative” ny maripahaizanao dia misy tranga roa.

    Tranga voalohany: Maripahaizana azo teto Madagasikara ny maripahaizanao. Azonao atao ny manontany eny amin’ny sekoly nahazoanao maripahaizana ny amin’ny mety ho antony tsy fisian’ny “équivalence administrative” ho an’ilay maripahaizana.

    Tranga faharoa: Maripahaizana azo tany ivelan’ny Madagasikara Azonao atao ny mangataka “arrêté d’équivalence” amin'ny CNEAT (Commission Nationale des Équivalences Administratives des Titres) alohan'ny hangatahana “équivalence administrative” ho an’ny maripahaizanao.

    Dingana 2: Omany ireo antontan-taratasy ilaina

    Omano ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fangatahana izay hita ao amin’ny tranokala sy mifanaraka amin’ny maripahaizanao mba ho voaray ny fangatahana.

    Dingana 3: Atero ny fangatahana

    Rehefa vonona avokoa ny antontan-taratasy ilaina rehetra dia azonao atao ny mametraka izany ao amin’ny varavarana faha-108 ao amin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy (MTEFPLS).

    Ho fanamorana ny fametrahana ny fangatahanao dia azonao atao ny mamandrika fotoana mialoha amin'ny alalan'ity rohy manaraka ity :

    Hamandrika fotoana

    Dingana 4: Alaivo ny “équivalence administrative”

    Aorian'ny fametrahana ny fangatahana dia hahazo tapakila misy ny daty hahafahana maka ny “extrait nominatif d’équivalence administrative des titres et diplômes” ianao. Amin’ny daty sy ora voatondro ao anatin’io tapakila io, tongava ao amin’ny varavarana faha-109 an’ny Ministeran’ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna socialy (MTEFPLS) maka ilay “extrait nominatif d’équivalence administrative” ho an’ny maripahaizanao.

    **Antontan-taratasy iraisana : **

    Tsara ho marihina fa ny “équivalence administrative” ho an’ny maripahaizana sasany dia mitaky antontan-taratasy fanampiny, noho izany dia ilaina ny mahafantatra momba ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fangatahana “équivalence administrative” ho an’ny maripahaizanao amin’ny alalan’ity rohy ity. Ireo lisitra etsy ambany dia manome ireo antontan-taratasy mahazatra ihany.

    Ho an’ny maripahaizana azo teto Madagasikara : - Maripahaizana tena izy - 01 Dika mitovy sy voamarina momba ilay maripahaizana (Eny amin’ny toerana nahazoana ny maripahaizana no hanaovana azy) - 01 Dika mitovy sy voamarina ny karapanondrom-pirenena - 01 Fisy fangatahana (Alaina eo ampametrahana ny fangatahana, varavarana 108 MTEFPLS)

    Ho an’ny maripahaizana azo tany amin’ny firenena hafa : - Maripahaizana tena izy - Dika mitovy 01 amin’ny teny frantsay na anglisin’ny maripahaizana (nataon’ny mpandikateny nanao fianianana) - Dika mitovy 01 sady voamarina momba ilay maripahaizana - Dika mitovy 01 sady voamarina momba ilay maripahaizana voadika. (Atao eny anivon’ny masoivohon’ilay firenena nanome ilay maripahaizana sy ny MAE) - 01 Dika mitovy sy voamarina ny karapanondrom-pirenena - 01 Fisy fangatahana (Alaina eo ampametrahana ny fangatahana, varavarana 108 MTEFPLS)

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Naoty
    Alefa ny fangatahana

    Partager sur les réseaux sociaux

    Dingana 1: Manao fikarohana
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranokala

    FandraisanaAndraikitraMinistera sy ny RafitraMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, torolalana.gov.mgNovokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer