Torolalana
  • Raharaha
  • Fampahafantarana
  • Fifandraisana
MGFlag
    FandraisanaFanaovana vaksiny

    Fanaovana vaksiny

    Fanapariahana ny fanaovana vaksiny fanefitry ny Covid-19. fanamarinana. Fisoratana anarana. Fisafidianana vaksiny. Fangalana ny karatra vaksiny.

    Dingana 1 : Fantarina na afaka manao vaksiny na tsia

    Ny fanaovana vaksiny dia misokatra ho an'ny olona rehetra 18 taona no miakatra ka maniry ny hanao vaksiny. Marihana anefa fa omena laharam-pahamehana ireto vondron'olona ireto :

    Mpiasa misahana ny fahasalamam-bahoaka sy ny tsy miankina. Izay olona rehetra 55 taona no ho miakatra. Izay olona mora mora iharan'aretina (tosi-drà ambony, diabeta ary aretina mitaiza tsy mifindra). Ireo olona misahana ny fiarovam-bahoaka. Ireo mpiasam-panjakana sy mpiasa amin'ny sehatra ara-tsosialy hafa, mifandray maharitra amin'ny mponina, anisan'izany ny mpiasan'ny fahasalamana.

    Dingana 2 : Fisoratana anarana

    Misy ny fisoratana anarana ao amin'ny tranonkala vaksiny alohan'ny handehanana any amin'ny toerana fanaovana vaksiny.

    Raha toa ka efa nanao vaksiny taloha dia efa voasoratra izany ny anaranao ka tsy tokony hanoratra anarana intsony https://vaksiny.gov.mg/ no fisoratana anarana.

    Ho an’ireo orinasa maniry hampanao vaksiny ny mpiasa ao aminy dia afaka mifandray mivantana amin’ny laharana maimaim-poana 910. Ny fepetra tokana dia ny fisihan'ny olona miisa 60 farafahakeliny (mpiasa + fianakaviana) maniry ny hanao vaksiny.

    Dingana 3: Fisafidianana toerana hanaovana vaksiny

    Ny lisitry ny toerana fanaovana vaksiny isaky ny distrikta sy isaky ny faritra dia hita ao amin'ny valim-panotaniana.

    Dingana 4 : Fanaovana vaksiny

    Ny toerana fanaovana vaksiny dia mandray olona ny Alatsinainy ka hatramin'ny Zoma manomboka amin'ny 8ora ka hatramin'ny 12 ora.

    Dingana 5 : Fifandraisana amin'ny tompon'andaikitra raha misy tranga miseho aorian'ny fanaovam-baksiny

    Raha misy fanontaniana tiana apetraka raha sendra misy tranga miseho aorian'ny fanaovam-baksiny dia antsoy ny laharana 080 423.

    Dingana 6: Fahazoana ny fanamarinana fanaovam-baksiny elektronika.

    1- Sokafana ny tranonkala https://vaksiny.gov.mg/

    2- Soratana eo amin’ny toerana natokana ho an’ny « Solon’anarana * » ny anaranao (ohatra « RAKOTO»)

    3- Soratana eo amin’ny toerana natokana ho an’ny « Teny miafina * » ny laharana EPI (ohatra « EPI_99999999 »)

    Fanamarihana 1 : TSY soratana eo amin’ny toerana natokana ho an’ny « Solon’anarana * » ny fanampin’anarana.

    Fanamarihana 2 : raha manana anarana 2 ianao dia soratana eo amin’ny toerana natokana ho an’ny « Solon’anarana * » daholo ny anaranao 2. Ohatra « RAKOTO DUPOND »

    Dingana 7: Fifandraisana amin'ny tompon'andaikitra raha misy fahadisoana ny antonta-kevitra tafiditra

    1- Manatona ny toerana nanaovana vaksiny.

    Mitondra karatra fanaovana vaksiny sy kara-panondro-pirenena.

    2- Manatona ny Foibe-pitantanana miandraikitra ny vaksiny. Afaka mandefa fangatahana amin'ny mailaka vaccinationcovid19@googlegroups.com ary alefa mipaingotra amin'ilay mailaka ny sarin'ny karatra nanaovana vaksiny (ambadika sy ambadika).

    Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?

    Note
    Alefa ny fangatahana

    Partager sur les réseaux sociaux

    Vaccination Etape 1: Connaître son éligibilité pour la vaccination
    TOROLALANA TEXT LOGO

    Rafitry ny tranokala

    FandraisanaAndraikitraMinistera sy ny RafitraMombamonba

    Tambazotra sosialy

    facebooklinkedin
    Copyright © 2024, Torolalana.gov.mgNovokarin'ny Unité de Gouvernance Digitale

    Fidio ny teny tianao hifandraisana

    Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer