Fangalana pasipaoro
Ny pasipaoro dia anisan'ny taratasy fahazoan-dalana mivezivezy maneran-tany azon’ny teratany malagasy angatahina.
Faharetan'ny fikarakarana ankapobeny : 72 ora afa-tsy ny fivoahana mitsabo tena any ivelany (EVASAN) sy ny pamita iraka maika.
10 andro raha fangatahana avy any ivelany na avy any amin'ny faritra.
Toerana : Service Central du Contrôle de l’Immigration et de l’Emigration (SCCIE)
Patte d'éléphant- Anosy- Antananarivo
Mila fanampiana : raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny laharana +261 (0)38 11 000 77 mandritra ny ora fisokafan'ny birao.
(08 ora- 12 ora maraina / 2 ora - 6 ora hariva, ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma afa-tsy ny andro tsy fiasana)
Sarany : 190 000 Ariary
Isan'ny dingana : 4
Taratasy azo amin'ny farany : pasipaoro tsotra malagasy
Ireo dingana mila arahina raha angataka na anavao pasipaoro malagasy :
Dingana 1 : omany ireo antotan-taratasy ilaina
Ny antontan-taratasy tsy maintsy karakaraina mialoha dia afaka jerena eo amin'ny tranonkala (Jereo ity rohy ity)
Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : miankina amin'ny antontan-taratasy tsirairay
Toerana fanaovana an'ity dingana ity : miankina amin'ny antontan-taratasy tsirairay
Saran'ity dingana ity : miankina amin'ny antontan-taratasy tsirairay
Dingana 2 : alefaso ao amin'ny tranokala ny antotan-taratasy
Alefaso ao amin'ny tranokala ny antotan-taratasy (Jereo ity rohy ity)
Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : miankina amin'ny antontan-taratasy tsirairay
Toerana fanaovana an'ity dingana ity : (Jereo ity rohy ity)
Mila fanampiana : raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny laharana +261 (0)38 11 000 77 mandritra ny ora fisokafan'ny birao.
(08 ora- 12 ora maraina / 2 ora - 6 ora hariva, ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma afa-tsy ny andro tsy fiasana)
Saran'ity dingana ity : tsy misy sarany
Dingana 3: manatona ny serivisy pasipaoro
Manatona ny birao filankevitra (accueil) miaraka ny tapakila
- hamarinina ny antontan-taratasy rehetra
- mandoa vola eo amin’ny tahirimbolam-panjakana
- maka sary sy lavo-tondro
Faharetan'ny fikarakarana ho an'ity dingana ity : 1 ora
Toerana fanaovana an'ity dingana ity : Service Central du Contrôle de l’Immigration et de l’Emigration (SCCIE)
Patte d'éléphant- Anosy- Antananarivo
Mila fanampiana : raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny laharana +261 (0)38 11 000 77 mandritra ny ora fisokafan'ny birao.
(08 ora- 12 ora maraina / 2 ora - 6 ora hariva, ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma afa-tsy ny andro tsy fiasana)
Saran'ity dingana ity : 190 000 Ariary
Dingana 4 : fangalana ny pasipaoro
Mila entinao ny laharana voafaritra izay nomena anao mba angalanao ny pasipaoronao.
Faharetan’ny fikarakarana ho an’ity dingana ity : 1 ora
Toerana fanaovana an’ity dingana ity : Service Central du Contrôle de l’Immigration et de l’Emigration (SCCIE)
Patte d’éléphant- Anosy- Antananarivo
Mila fanampiana : raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny laharana +261 (0)38 11 000 77 mandritra ny ora fisokafan’ny birao.
(08 ora- 12 ora maraina / 2 ora - 6 ora hariva, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma afa-tsy ny andro tsy fiasana)
Saran’ity dingana ity : tsy misy sarany
Nahaliana anao ve ny torohevitra hitanao tato amin'ny pejy ?
Naoty