Dingana arahina
Jereo amin’ity rohy ity ireo dingana rehetra arahina amin’ny fisitrahana ireo tolotra ara-tsosialy : https://www.cnaps.mg/fr/categorie/comment-adherer.
Antontan-taratasy ilaina :
Misy karazany ireo antontan-taratasy omena ny mpikambana, arakaraky ny ilaina azy. Azonao jerena sy alaina amin’ity rohy ity ireo taratasy hanaovana fangatahana : https://www.cnaps.mg/fr/telechargement
- LATSAKEMBOKA
- Taratasy fanamarinana tokana CNaPS- FMFP mahakasika ny Talon Declaration Nominative des Salaires
- Taratasy fanamarinana tokana CNaPS-FMFP Filazan-karama (DNS) amin’ny endriny elektronika
- Taratasy Filazan-karama (DNS)
- Taratasy Filazan-karama (DNS) ho an’ny Sampan-draharam-panjakana
- Filazan-karama (DNS) SME 2022
- FAHAZOANA LAHARANA SY FIDIRANA HO MPIKAMBANA
- Filazana fampidirana na fanalana mpiasa, fangatahana laharana CNaPS ho an’ny mpiasa
- Filazana fampidirana / fanalana mpiasa iraisana
- Fangatahana laharana maha mpikambana ho an’ny mpampiasa
- Fangatahana fanoloana sokajin’anaranan’ilay orinasa (Raison Sociale)
- FANAMPIANA NY FIANAKAVIANA
- Fangatahana volan-jaza
- Fangatahana volan’ny bevohoka sy mpitaiza kely
- Fangatahana antsasa-karama
- Fangatahana fanonerana ny vola lany tamin’ny fiterahana
- Taratasy fanamarinana tombok’ora
- Fangatahana fanamarinana tsy fandoavana Zo
- LOZA SY ARETINA VOKATRY NY ASA
- Karatry ny tra-doza
- Taratasy A- B- C
- Taratasy filazana loza sy aretina vokatry ny asa • FISOTROAN-DRONONO
- Taratasy fangatahana fisitrahana ny Zo (DLPR)
- Taratasy fanamarinana ny niasana sy ny karama
- Taratasy fangatahana famindrana latsakemboka
- Taratasy fanamarinana tsy fahafahana miasa
Faharetan'ny fikarakarana ankapobeny :
Ny fotoana hikirakirana ny antontan-taratasy dia tahaka izao manaraka izao, raha toa ka ara-dalàna ny antontan-taratasy :
- Fanampiana ny fianakaviana : 15 andro
- Fisotroan-dronono : 90 andro
Ny toerana hikirakirana ireo antontan-taratasy :
Azon’ny mpikambana CNaPS atao ny mametraka ny antontan-taratasiny eny amin’ny birao CNaPS rehetra akaiky azy sy manerana ny Nosy. (Foibe eny Ampefiloha, ireo Masoivoho, Tendro sy birao manodidina) na amin’ny alalan’ny :
- Mailaka : clientele.cnaps@cnaps.mg
- Tranokala : https://www.cnaps.mg
- Facebook : https://web.facebook.com/cnapsmada