PRESIDENCY OF MALAGASY REPUBLIC LOGO Site web de confiance appartenant au domaine ".gov.mg "
Version bêta Signaler des bugs
TOROLALANA TEXT LOGO
  • Services
  • A propos
  • Gouvernement
MG
      AccueilGouvernementMinistère de la sécurité publique
      TrustedDerniere mis à jour: il y a 5 mois

      Ministère de la sécurité publique (MSP)

      Ny teny filamatra napetraka raha nandray ny asa maha-minisitry ny filaminam-bahoaka ny tenako dia ny hoe : « Polisim-pirenena manampy sy miaro ny vahoaka ». Araka izany dia tokony mahatsapa sy mahita ny vahoaka fa eo ny Polisim-pirenena miasa ho azy. Mijanona ho teny filamatra ihany anefa izany raha tsy misy asa mivaingana, azo tsapain-tanana sy refesina ka izany indrindra no nisafidianako ireto tondrozotra miisa fito ireto, izay apetrako ho laharampahamehana eto amin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

      1. Famerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny Polisim-pirenena. Ny asa rehetra izay atao dia atao miatraika mivantana na misy akony amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka. NyPolisim-pirenena dia miasa ho famahana ny olan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny.

      2. Ny fametrahana ny fahefam-panjakana amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny asan’ny Polisim-pirenena.

      3. Ny fanamafisana ny ady atao amin’ny kolikoly, indrindra amin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho Polisy.

      4. Fametrahana paikady matipaika sy mahomby amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny asan-jiolahy sy ny fakana an-keriny (Kidnapping). Tsy asiana mihitsy ny fandeferana amin’ireo rehetra tafiditra amin’ity raharaha ity. Tsy ekena toy izany koa ny kiantranoantrano na fifampiarovana.

      5. Asiana na anaovana ezaka manokana ny fametrahana ny fanajana ny soatoavina maha olona sy ny zon’olombelona.

      6. Fanaovana laharampahamehana na fanomezana lanja manokana ny asa fisorohana raha mitaha amin’ ny asa fanasaziana amin’ny alalan’ny fidinana eny ankianja na eny ifotony.

      7. Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo hery fiarovana sy ny mpitandro ny filaminana hafa.

      Ho antsika Polisim-pirenena : « Tsy adidiko izaho samirery ny fanatanterahana ireo fa adidiko izaho sy ianao, koa manainga ny rehetra hiara-mientana hiasa amin-kitsipo sy am-pitiavana mba hametrahana fandriampahalemana sy filaminana maharitra eto amin’ity Madagasikarantsika ity ».

      Manantena hatrany ihany koa ny fanomezan-tanana avy amin’ny vahoaka na amin’ny fanomezam-baovao izany na amin’ny fanomezana fanamarihana hanatsarana hatrany ny asan’ny Polisim-pirenena. Miaro sy manampy ny vahoaka no antom-pisian’ny Polisim-pirenena.

      Adresse et contact

      Lien : https://www.pn.gov.mg/
      Oui
      Non
      Soumettre

      Vous avez d’autres requêtes?

      Afin d'améliorer continuellement le service et de s'assurer de votre satisfaction dans l'utilisation de cette plateforme, nous vous invitons à répondre au sondage simple qui a été préparé. Notez que l'enquête n'est pas obligatoire et est libre de répondre. Les commentaires que vous fournissez restent un document pour améliorer et faciliter votre utilisation de Torolalana™.

      Contactez-nous
      Request photo
      TOROLALANA TEXT LOGO
      Plan du siteAccueilServicesMinistères et InstitutionsA propos
      Logo UGD Propulsed
      Copyright © 2023, Torolalana.gov.mgPowered by Unité de Gouvernance Digitale

      Fidio ny teny tianao hifandraisana

      Choisissez la langue avec laquelle vous voulez communiquer